Salamo 96 - Malagasy Protestant Bible 2011

Hira fifaliana noho ny fiavian’NY TOMPO 1Tan 16.23-33

1Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO!

Mihirà ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra!

2Mihirà ho an’NY TOMPO, misaora ny anarany,

ambarao isanandro isanandro ny vaovao mahafalin’ny famonjeny!

3Ambarao any amin’ny Jentilisa ny voninahiny

ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony!

4Fa lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra

sady mahatahotra, mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.

5Ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona,

fa NY TOMPO no nanao ny lanitra.

6Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany,

hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ny fitoerany masina.

7Ry firenena, omeo NY TOMPO;

eny, omeo voninahitra sy hery NY TOMPO!

8Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany!

Manolora fanatitra ka mankanesa eo an-kianjany!

9Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina;

mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra!

10Lazao any amin’ny Jentilisa fa NY TOMPO no Mpanjaka

ary izao rehetra izao dia mitoetra tsara ka tsy hihetsika.

Hitsara ny firenena amin’ny fahamarinana Izy.

11Aoka hifaly ny lanitra ary hiravoravo ny tany!

Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy!

12Aoka hiravoravo ny saha sy izay rehetra eo aminy;

dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an’ala

13eo anatrehan’NY TOMPO fa avy Izy;

eny, avy hitsara ny tany Izy.

Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy

ary ny firenena amin’ny fahamarinany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help