1TOMPO ô, afaho amin’ny olon-dratsy aho
ary arovy amin’ny mpampihorohoro
2izay mikotrika hevi-dratsy ao am-pony
ka manangana ady isanandro.
3Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy,
ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony. Fiatoana.
4TOMPO ô, vonjeo amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho
ary arovy amin’ny mpampihorohoro
izay mihevitra handronjina ahy ho potraka.
5Ny mpiavonavona dia manafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy;
manao vela-pandrika harato eo amoron-dalana izy;
nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy. Fiatoana.
6Hoy aho tamin’NY TOMPO: Andriamanitro Ianao;
henoy ny feon’ny fifonako, TOMPO ô!
7TOMPO Andriamanitra ô, ry Herin’ny famonjena ahy,
manarona ny lohako Ianao amin’ny andro fiadiana.
8TOMPO ô, aza omena ny ratsy fanahy izay iriny
ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. Fiatoana.
9Ny lohan’izay manemitra ahy
dia aoka hosaronan’ny ratsy tononin’ny molony.
10Aoka hisy vainafo halatsaka aminy;
aoka hariana any anaty afo izy
na any an-davaka lalina ka tsy hiarina intsony.
11Tsy hampitoerina amin’ny tany ny olona mahay vava;
henjehin-doza ny mpampihorohoro ka ho lavo.
12Fantatro fa NY TOMPO no handahatra ny tenin’ny ory
sady hanome rariny ho an’ny mahantra.
13Eny tokoa, hisaotra ny anaranao ny marina;
hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.