Malakia 3 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Indro, haniraka ny irako Aho

ary izy no hanamboatra lalana eo alohako;

ary ny Tompo izay tadiavinareo

dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny;

ary ny Anjelin’ny fanekena

izay irinareo dia indro, tamy Izy,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

2Nefa iza no hahatanty ny andro hiaviany?

Ary iza no hahajanona rehefa miseho Izy?

Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika

sy ny savonin’ny mpanasa lamba.

3Hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy ary handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, dia ho an’NY TOMPO ireny, ho mpanolotra fanatitra amim-pahamarinana.

4Dia ho mamin’NY TOMPO, toy ny tamin’ny andro fahiny sy toy ny tamin’ny taona taloha, ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema.

5Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho

ka ho vavolombelona

hanameloka haingana ny mpitana ody, ny mpijangajanga,

ny mpanao fianianana mandainga

ary ny mpampahory ny mpikarama mbamin’ny mpitondratena sy ny kamboty,

izay mampahory ny vahiny

fa tsy matahotra Ahy,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

6Fa Izaho TOMPO

dia tsy miova,

ary ianareo, ry taranak’i Jakoba,

dia tsy fongana.

Miverina amin’NY TOMPO

7Hatramin’ny andron’ny razanareo

dia efa niala tamin’ny didiko ianareo

ka tsy nitandrina azy.

Miverena Amiko

dia mba hiverina aminareo kosa Aho,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Nefa hoy ianareo:

Ahoana ary no ho fiverenanay?

8Afaka handroba an’Andriamanitra va ny olona?

Satria mandroba Ahy ianareo.

Nefa hoy ianareo:

Amin’inona moa no androbanay Anao?

Amin’ny fahafolonkarena sy ny anjara fanomezana.

9Tratry ny ozona ianareo

nefa Izaho no robainareo,

dia ianareo firenena iray manontolo izao.

10Entonareo ny fahafolonkarena rehetra ho ao amin’ny trano fitahirizako

mba hasian-kanina ao an-tranoko;

izahao toetra amin’izany Aho,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

raha tsy hovohako

ho anareo ny varavaran’ny lanitra

ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.

11Hasiako teny mafy noho ny aminareo ny valala

ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny

fa hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

12Ary hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra ianareo,

fa ho tany mahafinaritra ianareo,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Ny andro hanehoan’Andriamanitra ny fahamarinany

13Ny teninareo dia mahery mamely Ahy,

hoy NY TOMPO.

Nefa hoy ianareo:

Inona no resakay noentinay namely Anao?

14Tamin’ny nitenenanareo hoe:

Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra;

inona moa no soa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana

sy tamin’ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana

teo anatrehan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao?

15Ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra;

eny, ambinina izay nanao izay ratsy,

sady naka fanahy an’Andriamanitra izy nefa afa-nandositra ihany.

16Tamin’izany, izay natahotra NY TOMPO dia samy niresaka tamin’ny namany avy;

ary NY TOMPO nihaino ka nandre izany;

ary nisy boky nosoratana teo anatrehany

ho fahatsiarovana izay matahotra NY TOMPO

sy mihevitra ny anarany.

17Ho rakitra soa ho Ahy ireny

amin’ny andro izay hotendreko,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao;

ho antra azy Aho,

toy ny olona antra ny zanany lahy izay manompo azy.

18Dia ho hitanareo indray

ny tsy fitovian’ny marina sy ny meloka,

dia ny manompo an’Andriamanitra

sy ny tsy manompo Azy.

19Fa indro, avy ny andro,

mandoro toy ny fatana fandoroana izy;

ary ny mpirehareha rehetra

sy ny mpanao ratsy rehetra

dia ho vodivary

ka handoro azy ny andro izay ho avy,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

ka tsy hasiany miangana, na ny fotony na ny sampany.

20Ary hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako

ny masoandron’ny fahamarinana,

mitondra fanasitranana eny amin’ny tanany;

ary hivoaka ianareo ka hifaly havanja

toy ny zanak’omby mifahy.

21Hohitsahinareo ny ratsy fanahy,

fa ho lavenona ao ambanin’ny faladianareo izy

amin’ny andro izay hotendreko,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Ny fiverenan’i Elia

22Tsarovinareo ny lalànan’i Mosesy mpanompoko,

izay nandidiako azy tao Horeba

ny amin’ny Israely rehetra,

dia ny didy sy ny fitsipika.

23Indro, haniraka

an’i Elia mpaminany ho aminareo Aho,

dieny tsy mbola tonga ny Andron’NY TOMPO,

ilay lehibe sady mahatahotra.

24Ary Izy no hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka,

ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy,

fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help