Salamo 147 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fahefan’Andriamanitra eo amin’ny tantara sy eo amin’ny zavaboahary

1 Haleloia,

fa tsara ny mihira ho an’Andriamanitsika;

eny, mamy sady mendrika ny fiderana.

2Manangana an’i Jerosalema NY TOMPO;

mamory ny Israely voaroaka Izy.

3Manasitrana ny torotoro fo Izy

ary mamehy ny feriny.

4Milaza ny isan’ny kintana Izy;

samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny.

5Lehibe ny Tompontsika sady be hery;

tsy hita lany ny fahalalany.

6Manohana ny mpandefitra NY TOMPO,

fa mampietry ny ratsy fanahy hatrany amin’ny tany.

7Mihirà fiderana ho an’NY TOMPO;

mankalazà an’Andriamanitsika amin’ny lokanga.

8Izy no manaron-drahona ny lanitra,

Izy no manamboatra ranonorana ho amin’ny tany,

Izy no mampaniry ahitra ny tendrombohitra,

9Izy no manome hanina ho an’ny biby

sy ho an’ny zana-goaika izay mitaraina.

10Tsy ny herin’ny soavaly no mahafinaritra Azy

ary tsy ny ranjon’ny lehilahy no ankasitrahany.

11Mankasitraka izay matahotra Azy NY TOMPO,

dia izay manantena ny famindrampony.

12Mankalazà NY TOMPO, ry Jerosalema ô!

Miderà an’Andriamanitrao, ry Ziona ô.

13Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy

sady mitahy ny zanakao eo ampofoanao.

14Mahatonga ny faritaninao handry fahalemana Izy;

vokisany vary tsara indrindra ianao.

15Mampandeha ny didiny ho amin’ny tany Izy;

miely haingana be ny teniny.

16Mandatsaka orampanala tahaka ny volon’ondry Izy;

mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.

17Mandatsaka ny havandrany tahaka ny sombintsombin-javatra Izy;

iza no maharitra ny hatsiakany?

18Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny;

mampifofofofo ny rivony Izy dia mandriaka ny rano.

19Manambara ny teniny amin’i Jakoba Izy

ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ny Israely.

20Tsy nanao toy izany tamin’izay firenena hafa Izy

ary ny fitsipiny dia tsy mba fantatr’ireny.

Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help