Ohabolana 15 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Ny valinteny mora dia mampihemotra ny fahatezerana mafy,

fa ny teny maharary dia mampiakatra ny fahasosorana.

2Mahatonga ny fahalalana ho mahafinaritra ny lelan’ny hendry,

fa miboiboika hadalana ny tenin’ny adala.

3Amin’ny toerana rehetra ny mason’NY TOMPO,

manara-maso ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.

4Ny teny mampitony dia hazon’aina,

fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.

5Ny adala maniratsira ny anatry ny rainy,

fa izay mitandrina ny fananarana no hita fa hendry.

6Misy harena be ao an-tranon’ny marina,

fa ny fitomboan’ny harenan’ny ratsy fanahy dia misy loza.

7Ny molotry ny hendry dia mampiely fahendrena,

fa tsy mba toy izany ny fon’ny adala.

8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’NY TOMPO,

fa ny vavaka ataon’ny marina no sitrany.

9Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny lalan’ny ratsy fanahy,

fa izay mikatsaka ny fahamarinana no tiany.

10Famaizana mafy no hihatra amin’izay miala amin’ny lalana,

eny, izay mankahala anatra dia ho faty.

11Ny fitoeran’ny maty sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’NY TOMPO,

koa mainka ny fon’ny zanak’olombelona!

12Tsy tian’ny mpaniratsira izay mananatra azy

ary tsy mety manatona ny hendry izy.

13Mahamiramirana ny tarehy ny fo ravoravo,

fa ny alahelon’ny fo dia mahareraka ny fanahy.

14Ny fon’ny manan-tsaina dia mitady fahendrena,

fa ny adala dia mankamamy ny fahadalana.

15Ratsy avokoa ny andron’ny ory,

fa ny faharavoravoana am-po dia sakafom-panasana mandrakariva.

16Aleo kely misy fahatahorana NY TOMPO

toy izay harena be nefa misy tebiteby.

17Aleo sakafo anana arahim-pitiavana

toy izay omby mifahy arahim-pankahalana.

18Izay malaky tezitra dia manetsika ady,

fa izay mahatsindry fo no mampitsahatra fifandirana.

19Ny lalan’ny malaina dia toy ny fefy tsilo,

fa ny lalan’ny marina dia lalambe voalamina tsara.

20Ny zanaka hendry dia mahafaly ny rainy,

fa ny lehilahy adala manao tsinontsinona ny reniny.

21Ny fahadalana dia fifalian’ny tsy ampy saina,

fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy.

22Ho foana ny tetikasa raha tsy misy fiheveran-draharaha,

fa raha maro ny mpanolotsaina dia tanteraka izany.

23Faly ny olona raha mahay mamaly resaka tsara izy,

ary endre ny hatsaran’ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy!

24Lalan’aina ho any ambony no alehan’ny hendry

hanalavirany ny fitoeran’ny maty any ambany,

25Arodan’NY TOMPO ny tranon’ny mpiavonavona,

fa ataony mafy orina ny fanamarihana ny zaratanin’ny mpitondratena.

26Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny eritreritra hanao ratsy,

fa ny teny mamy dia madio.

27Izay fatra-pila harena tsy marina dia mampidi-doza amin’ny ankohonany,

fa izay mankahala kolikoly no ho velona.

28Ny fon’ny marina misaintsaina vao mamaly,

fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa miboiboika loza.

29Lavitra ny ratsy fanahy NY TOMPO,

fa ny vavaka ataon’ny marina no henoiny.

30Ny fijery mamiratra dia mahafaly ny fo

ary mamelombelona ny taolana ny filazana soa.

31Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona

dia miara-mitoetra amin’ny hendry.

32Izay mandà anatra dia manao tsinontsinona ny tenany,

fa izay mihaino fananarana no mahazo fahalalana.

NY TOMPO sy ny fiainana andavanandro

33Ny fahatahorana NY TOMPO dia fitaizana mampahahendry

ary ny fanetren-tena dia mialoha ny voninahitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help