Jeremia 10 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ilay Andriamanitra velona manoloana ireo sampy

1Henoy ny teny izay lazain’NY TOMPO aminareo, ry taranak’Israely!

2Izao no lazain’NY TOMPO:

Aza mianatra ny fanaon’ny Jentilisa;

aza matahotra ireo famantarana eny amin’ny lanitra;

fa ny Jentilisa no matahotra izany.

3Fa ny fanaon’ny firenen-kafa dia zava-poana;

hazo nokapaina tany an’ala ireny,

asan-tanan’ny mpahay taozavatra amin’ny famaky;

4volafotsy sy volamena no andravahany azy

ary fantsika sy maritoa no entiny manamafy azy

mba tsy hihetsiketsehany.

5Toy ny tsangankazo voaravaka izy

fa tsy mahateny,

entina foana izy

fa tsy mba afa-mandeha;

ary aza matahotra azy

fa tsy mahatonga loza izy

sady tsy mahay manisy soa.

6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;

lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.

7Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ny firenena!

Fa mendrika Anao izany,

fa amin’ny hendry rehetra amin’ny firenena

sy amin’ny fanjakany rehetra

dia tsy misy tahaka Anao.

8Fa kentrina sy adala avokoa izy rehetra.

E! Zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.

9Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy

sy volamena avy tany Ofaza izany,

asan-tanan’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy volamena;

lamba manga sy volomparasy ny fitafiany;

asan’ny manan-talenta izy rehetra.

10Fa NY TOMPO no Andriamanitra marina,

eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay,

izay mampihorohoro ny tany amin’ny fahatezerany

ka tsy tantin’ny firenena ny fahavinirany.

11Izao anefa no holazainareo amin’ireny:

Ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany

dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra.

12NY TOMPO no nanao ny tany tamin’ny heriny

sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny

ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.

13Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy

dia mampiakatra rahona avy any amin’ny faran’ny tany;

manao ny tselatra ho amin’ny ranonorana Izy

sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany.

14Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana;

mitafy henatra noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra;

fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika

sady tsy misy fofonaina akory ao aminy.

15Zava-poana ireny,

dia asan-tanana mahatsikaiky sy tsinontsinona;

amin’ny andro hamaliana azy

dia ho levona izy.

16Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’i Jakoba;

fa mpamorona ny zavatra rehetra Izy;

ary ny Israely no firenena lovany;

Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany.

Antomotra ny loza

17Angony ny korontan’entanao hiala amin’ny tany,

ry ilay mipetraka anatin’ny fahirano!

18Fa izao no lazain’NY TOMPO:

Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton’antsamotady ny mponina amin’ny tany,

ary hotereko ao anatin’ny fahirano izy

mba tsy hisokatra ny masony.

19Lozako! Torotoro aho!

Tsy azo sitranina ny feriko;

nefa hoy aho hoe:

Anjara fahoriako izao

ka hozakaiko ihany.

20Rava ny tranolaiko,

ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko;

lasa ny zanako

ka tsy misy intsony,

eny, tsy misy hamelatra ny tranolaiko intsony

na hanenjana ny ambaindaiko.

21Fa efa tonga kentrina ny mpiandry ondry

ka tsy mitady NY TOMPO;

izany no tsy mahahendry azy

ka miely ny ondry andrasany rehetra.

22Injany misy resaka mandeha hoe: Indro, tamy

amin’ny fihorakorahana be avy any amin’ny tany avaratra izy

mba hahatonga ny tanànan’ny Joda ho lao

sy ho fonenan’ny amboadia.

Vavak’i Jeremia ho an’ny vahoakany

23TOMPO ô, fantatro

fa tsy miankina amin’ny olombelona ny lalan-kalehany,

ary tsy miankina amin’ny mpandeha

ny hahalavorary ny diany.

24TOMPO ô, anaro aho,

nefa araka ny fitsaranao ihany

fa tsy amin’ny fahatezeranao,

fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.

25Aidino amin’ny Jentilisa

izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao,

dia amin’ny taranaka

izay tsy miantso ny anaranao;

fa mandripaka an’i Jakoba ireo,

eny, mandripaka

sy mandringana azy,

eny mandrava ny fonenany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help