Salamo 39 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ampanalaviro ny fikapohanao aho! Fohy loatra ny andro iainanaHo an’ny mpiventy hira. Ho an’i Jedotona. Salamo nataon’i Davida.

1Hoy aho: Hitandrina ny lalako aho

mba tsy hanota amin’ny lelako;

hasiako fehiny ny vavako

raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.

2Nangina tsy niteny mihitsy aho,

namihim-bava aho ka tsy nilaza na dia ny tsara aza,

dia nihetsika mafy ny fanaintainako.

3Nafana ny foko tato anatiko;

raha nieritreritra aho dia nisy afo nirehitra

ka niteny tamin’ny lelako aho hoe:

4TOMPO ô, ampahafantaro ny fiafarako

sy izay fetran’ny androko aho;

aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.

5Indro, efa nataonao toy ny felatanana ny halavan’ny androko

ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny androm-piainako:

Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona mijoro rehetra. Fiatoana

6Toy ny aloka miserana tokoa ny fandehan’ny andron’ny olona;

zava-poana tokoa no itabatabany!

Mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’izany.

7Ary ankehitriny Tompo ô, inona no andrasako?

Ianao no antenaiko.

8Manafaha ahy amin’ny fahadisoako rehetra;

aza mamela ahy ho fanakòran’ny adala.

9Mangina aho ka tsy miloa-bava

satria Ianao no nanao izao.

10Ampanalaviro ahy ny kapoka avy Aminao;

reraka aho azon’ny famelin’ny tananao.

11Fanasaziana noho ny fahadisoany no anitsianao ny olona

ka manimba ny zavatra tiany tahaka ny ataon’ny kalalao Ianao.

Eny, zava-poana tokoa ny olona rehetra. Fiatoana

12Henoy ny vavaka ataoko, TOMPO ô!

Atongilano amin’ny fitarainako ny sofinao

ary aza mangina amin’ny ranomasoko!

Fa vahiny Aminao aho

sady mpivahiny tahaka ny razako rehetra.

13Aza atrehinao aho aloha dia ho miramirana indray,

dieny tsy mbola lasa aho ka tsy ho eto intsony!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help