Jeremia 24 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny amin’ny aviavy roa sobika

1Nasehon’NY TOMPO tamiko fa indreo, nisy aviavy roa sobika voapetraka teo anoloan’ny tempolin’NY TOMPO, taorianan’ny nitondran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babilona.

2Ny sobika iray dia nisy aviavy tena tsara, dia toy ny aviavy voaloham-bokatra; ary ny sobika iray kosa dia nisy aviavy izay tena ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.

3Dia hoy NY TOMPO tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy aho hoe: Aviavy. Ny tsara moa dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny haratsiny.

4Ary tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe:

5Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin’ity tany ity ho any amin’ny tanin’ny Kaldeana.

6Fa hotsinjovin’ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ity tany ity; haoriko izy fa tsy horavako; hamboleko izy fa tsy hongotako.

7Ary homeko fo hahalalany Ahy ho NY TOMPO izy; dia ho oloko izy ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina Amiko amin’ny fony manontolo izy.

8Ary ny amin’ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain’NY TOMPO: Toy izany no hanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin’ity tany ity sy izay mitoetra any amin’ny tany Ejipta,

9eny, hatolotro ho fampangovitana sy ho loza any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany izy, ho fandatsa sy oha-pitenenana ary ambentinteny sy fanozonana any amin’ny tany rehetra izay handroahako azy.

10Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritra azy tsy ho amin’ny tany izay nomeko azy sy ny razany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help