Isaia 41 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny tena Andriamanitra sy ny sampy

1Mangìna ianareo hihaino Ahy, ry nosy!

Ary aoka hanavao ny heriny ny firenena;

aoka hanatona izy ka hiteny!

Andeha isika hifanatona eo amin’ny fitsarana.

2Iza no nanaitra avy any atsinanana

ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra?

Iza no nanolotra ny firenena ho eo anatrehany,

ary nampietry mpanjaka?

Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka,

sy ny tsipìkany ho tahaka ny mololo paohin’ny rivotra?

3Manenjika ireo izy ka mihoatra azy soa amantsara

any amin’izay lalana tsy mbola nodiavin’ny tongony.

4Iza moa no nanao sy nahavita izany?

Ilay miantso ny taranaka maro hatramin’ny taloha.

Izaho TOMPO no voalohany,

ary hatramin’ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.

5Nahita ny nosy ka raiki-tahotra.

Toran-kovitra ny vazan-tany.

Dia nanatona izy ireo ka tonga.

6Samy manampy ny namany avy izy rehetra,

ary samy milaza amin’ny rahalahiny avy hoe: Mahereza!

7Koa ny mpahay taozavatra dia mampahery ny mpanefy volamena,

ary izay mandama tamin’ny maritoa

mampahery izay mively eo amin’ny riandriana,

Ka hoy izy, miantso ny faninginana: Tsara ity!

Dia homboany mafy tamin’ny fantsika ilay sampy

mba tsy hihozongozona.

Aza matahotra fa tonga hamonjy anao Aho

8Fa ianao kosa, ry Israely mpanompoko,

ry Jakoba izay nofidiko,

taranak’i Abrahama sakaizako!

9Ianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany

ary nantsoiko avy tany an-tsisiny

ka nilazako hoe:

Mpanompoko ianao,

efa nofidiko

ka tsy mba hariako!

10Aza matahotra ianao

fa momba anao Aho;

ary aza miherikerika foana

fa Izaho no Andriamanitrao;

mampahery anao Aho

sady mamonjy anao;

eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.

11Indro, ho menatra sy hangaihay

izay rehetra tezitra aminao;

ho tonga tsinontsinona izy; eny, ho levona

izay miady aminao.

12Hotadiavinao izay mifanditra aminao

fa tsy ho hitanao;

ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana

izay miady aminao.

13Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao

no mitantana ny tananao havanana,

dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra,

Izaho no hamonjy anao.

14Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana,

dia ianareo, ry Israely olom-bitsy;

Izaho no hamonjy anao,

hoy NY TOMPO,

Izaho Iray Masin’ny Israely no Mpanavotra anao.

15Indro, ataoko ragiragy vaovao

misy nify maranitra ianao;

hanosihosy ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy

ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.

16Hikororoka azy ianao

ka hopaohin’ny rivotra izy,

ary hanely azy ny tafio-drivotra.

Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’NY TOMPO,

ary ny Iray Masin’ny Israely no ho reharehanao.

17Mitady rano ny ory sy ny mahantra

nefa tsy mahita,

mainan’ny hetaheta ny lelany.

Izaho TOMPO no hamaly azy,

Izaho, Andriamanitry ny Israely, tsy hahafoy azy;

18Hampiboiboika renirano eny an-tampon-tanety mangadihady Aho,

ary loharano eny afovoan’ny lohasaha;

hataoko tonga farihy ny tany efitra

ary ny tany karankaina ho loharano miboiboika;

19Hampaniry hazo sedera sy akasia,

sy rotra ary oliva any an-tany efitra Aho,

ary ny kipreso sy hazo kesika ary kirihitra dia hampiarahina

eny amin’ny tany ngazana,

20mba ho hitan’izy ireo sy ho fantany,

ary hoheveriny sy ho azony an-tsaina

fa ny tanan’NY TOMPO no nanao izany,

ary ny Iray Masin’ny Israely no nahary azy.

Ny maha tsinontsinona ireo andriamanitra tsy izy

21Alaharo eto ny teninareo,

hoy NY TOMPO;

asehoy izay fiarovan-tenanareo,

hoy ny Mpanjakan’i Jakoba.

22Aoka hanatona izy.

Aoka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy,

nanao ahoana ny zavatra taloha,

mba hosaininay

ka ho fantatray izay hiafarany;

na mba ilazao koa izay zavatra ho avy izahay.

23Ambarao anay izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,

mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo;

eny, manaova soa na manaova ratsy,

mba hitaha isika ka hiaraha-mahita.

24Indro, tena tsinontsinona ianareo,

ary ny asanareo dia tena naman’ny zava-poana;

fahavetavetana ny nifidianana anareo.

25Nanaitra olona iray avy tany avaratra Aho

ka tonga izy. Avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro

no hiantsoany ny anarako;

hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy fotaka izy,

tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.

26Iza no nanambara izany hatramin’ny voalohany,

mba ho fantatray

dieny mialoha

ka hataonay hoe: Marina izany!

Tsy nisy nanambara;

eny, tsy nisy nilaza

ary tsy nisy nandre ny teninareo.

27Izaho no voalohany izay milaza amin’i Ziona hoe:

Indreo izy!

Manome mpitondra teny soa mahafaly ho an’i Jerosalema Aho.

28Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy na iza na iza;

eny, tsy nisy mpanolotsaina tamin’izy ireo

ka tsy misy afaka hamaly Ahy raha manontany azy Aho!

29Indro, zava-poana avokoa izy rehetra;

tsinontsinona ny asany;

rivotra sy zava-poana ny sampiny voarendrika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help