Salamo 7 - Malagasy Protestant Bible 2011

Aoreno ny rariny tokony ho ahyFitarainana nataon’i Davida. Nohirainy ho an’NY TOMPO noho ny tenin’i Kosy benjaminita.

1RY TOMPO Andriamanitro ô, Ianao no ialofako;

vonjeo aho amin’izay rehetra manenjika ahy ka afaho,

2fandrao viravirainy tahaka ny fanaon’ny liona ny fanahiko

ary kepokepohiny ka tsy misy mamonjy!

3RY TOMPO Andriamanitro ô, raha nanao izany tokoa aho,

raha nisy heloka teto an-tanako,

4raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho,

na nandroba izay nampahory ahy tsy amin’antony,

5dia aoka hanenjika ahy ny fahavalo ka hahatratra ahy;

eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ny tany

sady hampandry ny voninahitro amin’ny vovoka. Fiatoana

6TOMPO ô, mitsangàna amin’ny fahatezeranao.

Misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy

ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao.

7Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao

ary miverena ho eo amin’ny avo eo amboniny Ianao.

8NY TOMPO mitsara ny firenena.

TOMPO ô, tsarao aho

araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny.

9Mba atsaharo ny ratsy ataon’ny ratsy fanahy

ary ampitoero kosa ny marina,

fa Ianao dia Andriamanitra marina mizaha toetra ny fo sy ny voa.

10Ny ampingako dia ao amin’Andriamanitra,

Mpamonjy ny mahitsy fo.

11Mpitsara marina Andriamanitra,

eny, Andriamanitra izay tezitra isanandro.

12Raha tsy ibebahana Izy dia handranitra ny sabany;

efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manomana azy.

13Izany no anomanany fiadiana mahafaty;

ataony mirehitra ny zana-tsipìkany.

14Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo;

eny, mitondra fampahoriana ao an-kibony izy ary miteraka lainga.

15Mihady lavaka izy ka manalalaka izany

ary latsaka ao anatin’ny lavaka nataony ihany izy.

16Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriana ataony

ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ny loza nataony.

17Hidera NY TOMPO araka ny fahamarinany aho

ary hankalaza ny anaran’NY TOMPO Avo Indrindra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help