Hosea 7 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Raha ta hanasitrana ny Israely Aho

dia miseho ny helok’i Efraima sy ny asa ratsin’i Samaria

satria fatra-mpandainga izy;

miditra ny mpangalatra,

ary mandehandeha eny ivelany ny andian-jiolahy.

2Tsy mihevitra ao am-pony izy

fa tsaroako ny asa ratsiny rehetra;

ankehitriny dia gejain’ny nataony izy,

ary tonga eo anatrehako izany.

Teti-dratsy hanohitra ireo mpanjaka

3Amin’ny asa ratsy ataony no ampifaliany ny mpanjaka

ary amin’ny laingany no ampifaliany ny mpanapaka.

4Samy mpaka vadin’olona avokoa izy rehetra

ka toy ny fatana voafanan’ny mpanao mofo

izay mitsahatra tsy misorona afo

hatramin’ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.

5Tamin’ny andron’ny mpanjakantsika

dia nankarary tena tamin’ny herin’ny divay ny mpanapaka;

nifandray tanana tamin’ny mpaniratsira izy.

6Fa entin’ireo ho ao amin’ny vela-pandrika ny fony toy ny ho ao amin’ny fatana;

mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanao mofo,

ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.

7Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra

ka mandevona ny mpitsarany;

efa lavo avokoa ny mpanjakany,

ary tsy misy miantso Ahy izy rehetra.

Ny tsy fahaizan’ny Israely mankasitraka an’Andriamanitra

8I Efraima dia miharoharo amin’ireo firenena;

I Efraima dia efa tonga toy ny mofo tsy voavadika.

9Lanin’ny vahiny ny heriny

nefa tsy fantany akory izany.

Eny, efa miha fotsy volo ihany izy

saingy tsy fantany.

10Ny avonavon’Israely dia vavolombelona manameloka azy

nefa tsy miverina amin’NY TOMPO Andriamaniny ihany izy;

na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mitady Azy izy.

11Tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina i Efraima;

efa niantso an’i Ejipta izy

ary efa nankany Asiria.

12Raha vao mandeha izy

dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko

ka hazerako ao toy ny voromanidina izy;

hofaiziko izy, araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany.

13Lozan’izy ireo fa nandositra Ahy izy!

Haringana izy satria nikomy tamiko!

Ta hanavotra azy Aho,

kanefa lainga no entiny milaza Ahy.

14Tsy mitaraina Amiko ao am-pony izy

fa midradradradra foana ao am-pandrianany;

mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy

sady mikomy hiala Amiko.

15Izaho no nampianatra

sy nanatanjaka ny sandriny,

nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy.

16Miverina ihany izy nefa tsy ho amin’ny Avo;

tonga tahaka ny tsipìka mivaona fandeha izy;

ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy

noho ny firehitry ny lelany.

Izany no ho fandatsana azy any amin’ny tany Ejipta.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help