Salamo 102 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fahoriana sy fanantenanaVavaka ataon’ny ory raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan’NY TOMPO.

1TOMPO ô, henoy ny vavaka ataoko

ary aoka hankeo Aminao ny fitarainako.

2Aza manafina ny tavanao amiko amin’ny andro fahoriako;

atongilano amiko ny sofinao amin’ny andro itarainako;

faingàna hamaly ahy.

3Fa levon-ko setroka ny androko

ary mahamay tahaka ny forohana sisa tsy may ny taolako.

4Voakapa tahaka ny ahitra ny foko ka malazo,

fa hadinoko na dia ny mihinan-kanina aza.

5Noho ny fisentoan’ny foko

dia miraikitra amin’ny hoditro ny taolako.

6Tahaka ny sama any an-tany efitra aho

ary tahaka ny vorondolo any an-tanàna haolo.

7Tsy mahita tory aho

sady tahaka ny voronkely manirery eo amin’ny tafon-trano.

8Mandatsa ahy mandritra ny andro ny fahavaloko;

izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.

9Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo;

ny zavatra nosotroiko dia noharoharoako ny ranomasoko,

10noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao;

fa naingainao aho kanefa natontanao indray.

11Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso

ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.

12Nefa Ianao, TOMPO ô, dia mipetraka manjaka mandrakizay;

ny fahatsiarovana Anao dia mihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby.

13Hitsangana Ianao ka hamindra fo amin’i Ziona

fa efa andro hamindrana fo aminy izao;

eny, tonga izao ny fotoana.

14Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony

sady malahelo ny vovo-taniny izy.

15Hatahotra ny anaran’NY TOMPO ny Jentilisa

ary hatahotra ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany;

16fa nanangana an’i Ziona NY TOMPO;

niseho tamin’ny voninahiny Izy;

17nijery ny vavaka nataon’ny mahantra Izy

ka tsy nanevateva ny vavaka nataony.

18Hosoratana ho an’ny taranaka mandimby izany

ary izay firenena mbola hoforonina no hidera NY TOMPO;

19fa mitazana avy any amin’ny fitoerany masina any amin’ny avo Izy;

avy any an-danitra no nitsinjovan’NY TOMPO ny tany

20mba hihaino ny fisentoan’ny mpifatotra

sy hanafaka izay voatendry ho faty,

21mba hotorina any Ziona ny anaran’NY TOMPO

ary any Jerosalema ny fiderana Azy

22rehefa tafangona ny firenena

sy ny fanjakana maro hanompo NY TOMPO.

23Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy;

efa nahafohy ny androko Izy.

24Hoy aho: Andriamanitro ô, aza maka ahy antenantenan’ny androko;

ny taonanao dia mihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby.

25Tany aloha no nanorenanao ny tany

ary asan’ny tananao ny lanitra.

26Ireo dia ho levona fa Ianao no maharitra;

ho rovitra toy ny fitafiana izy rehetra;

toy ny lamba no hanovanao azy ka hosoloana izy.

27Fa Ianao no tsy miova

ary ny taonanao no tsy ho tapitra.

28Handry fehizay ny zanaky ny mpanomponao

ary hampitoerina eo anatrehanao ny taranany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help