Hosea INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYI Hosea mpaminany dia isan’ireo antsoina hoe Mpaminany madinika roa amby folo, noho ny bokiny fohy raha ampitahaina amin’ireo atao hoe Mpaminany lehibe, dia Isaia, Jeremia, Ezekiela, Daniela. Ao amin’ny Baibolintsika dia alohan’i Amosa no misy azy, fa ara-potoana dia i Amosa no talohany. Tany amin’ny fanjakana Avaratra no niasan’i Hosea, tamin’ny andron’i Jeroboama II sy mpanjaka 6 hafa nifandimby taorianany. I Hosea no mpaminany farany tany Avaratra, talohan’ny naharavan’i Samaria renivohitra tamin’ny 721 tal JK, vokatry ny fanafihan’ny Asiriana.Ny votoatin’ny BokyNanaitra tokoa ny fomban’ny faminaniana nampanaovin’Andriamanitra an’i Hosea, fa nasainy nanambady vehivavy janga izy. Notanterahiny izany ary niaretany fahoriana maro, kanefa tsy niova hatramin’ny farany ny fitiavany io vadiny io.Sarin’ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny Israely izay antsoina hoe Jakoba na Efraima, izany. Israely dia fatra-pivadika tamin’Andriamanitra. Nanaraka ny fivavahana tamin’ny Baala, izay nisy ny fijangajangana ho amin’ny fanompoan-tsampy, izy. Niala tamin’ny fitokisany tamin’Andriamanitra izy ka naleony niantehitra tamin’ny Ejipta sy Asiria.Izany fahotan’ny Israely izany no hitarika ny faharavany tanteraka, kanefa mahatoky Andriamanitra noho ny famindrampony mahagaga. Na dia manafay azy aza Izy dia mandresy kosa ny fitiavany ka mamela heloka Izy amin’ny farany, ary mihavana indray amin’ny Israely izay oharina amin’ny vady malalany.Ny firafitry ny bokyNy fanambadian’i Hosea sy ny hafatra ambaran’izany: 1–3Ny fitiavan’Andriamanitra ny Israely sy ny fanamelohany azy: 4–13Fampanantenana famindrampo raha mibebaka izy: 14
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help