Joba 32 - Malagasy Protestant Bible 2011

MIDITRA AN-TSEHATRA I ELIHONy fahatezeran’i Eliho

1Nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy satria nihevitra ny tenany ho marina i Joba.

2Nirehitra kosa ny fahatezeran’i Eliho, zanak’i Barakela bozita, avy amin’ny fianakavian’i Rama. Eny, tamin’i Joba no nirehetan’ny fahatezerany satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.

3Ary tamin’ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ny fahatezerany satria tsy nahita teny havaly izy ireo, kanefa nanameloka an’i Joba.

4Ary i Eliho dia tsy mbola niteny tamin’i Joba fa niandry satria ireo telo lahy dia be taona noho izy.

5Rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy dia nirehitra ny fahatezerany.

Manamarina ny teniny i Eliho

6Koa niteny i Eliho, zanak’i Barakela bozita hoe:

Mbola tanora aho fa ianareo kosa dia fotsy volo;

koa natahotra aho fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.

7Hoy aho hoe: Aoka ny fahanterana no hiteny

ary aoka ny hamaroan’ny taona no hampianatra fahendrena.

8Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ny zanak’olombelona

sy ny fofonain’ny Tsitoha no mahahendry azy.

9Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry

ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny.

10Noho izany dia hoy aho hoe:

Aoka samy hihaino ahy!

Izaho koa dia mba hanambara izay fantatro.

11Indro, niandry ny teninareo aho

ary nanongilan-tsofina tamin’ny teny nalahatrareo,

mandra-pihevitrareo izay holazaina.

12Eny, tena nihaino anareo aho,

nefa e! Tsy nisy naharesy lahatra an’i Joba ianareo

na nahavaly ny teniny akory.

13Koa aoka ianareo tsy hiteny hoe: Hitanay ny fahendrena;

Andriamanitra no maharesy azy fa tsy olona!

14Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy

ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.

15Very hevitra terỳ izy ireo

ka tsy namaly intsony;

efa nanalavitra azy ny teny.

16Hangina va aho raha tsy miteny izy ireo,

fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?

17Anjarako kosa izao ka hamaly aho;

eny, izaho no hanambara izay fantatro!

18Fa feno teny ny foko;

manery ahy ny fanahy ato anatiko.

19Endre! Ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misokatra,

efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.

20Hiteny aho mba hisy hiainako tsara;

hiloa-bava aho ka hamaly.

21Tsy hizaha tavan’olona akory aho

ary tsy handrobo olona.

22Fa tsy mba mahay mandrobo aho;

raha izany dia halain’ny Mpanao ahy faingana aho!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help