Rota INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy bokin’i Rota dia isan’ireo boky natao hoe Ny Horonam-boky dimy, koa izy no novakina tamin’ny fety fanateram-bokatra izay atao koa hoe Ny Pentekosta.Ny votoatin’ny BokyNy tantaran’i Rota dia nitranga tamin’ny andron’ny Mpitsara, mampiseho an’i Rota, vehivavy moabita, nefa tonga isan’ny razan’i Jesosy.Maty tany Moaba ny vadiny, nefa izy dia tsy nety nisaraka tamin’i Naomy rafozany izay Israeliana avy any Betlehema, izay maty koa ny vadiny ka niverina nankany Betlehema. Nanaiky hanompo an’Andriamanitry ny Israely koa i Rota. Rehefa tonga tany Betlehema izy mianaka dia namantana fahasahiranana, nefa nisy fianakaviana akaiky natao hoe Boaza, izay nanaiky hanavotra ny taniny sy hanambady an’i Rota mba hamelo-maso ny fianakaviany. Izany dia araka ny andraikitra maha mpanavotra an’i Boaza, araka ny lalàna tao amin’ny Israely (Lev 25.25-31 sy Deo 25.5-10). Niteraka izy mivady ary tonga razamben’i Davida; noho izany koa dia voaisa ho razan’i Jesosy ara-nofo i Rota (Mat 1.5).
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help