Ezekiela 22 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fahavetavetana ataon’i Jerosalema

1Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

2Ry zanak’olona, moa tsy hitsara va ianao? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-dra va ianao? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra!

3Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ity dia tanàna mpandatsa-dra ao ampovoany, koa noho izany dia tonga ny fotoanany sady manao sampy mampahaloto azy ao aminy izy!

4Ny ra izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nampahaloto anao. Nampahafohy ny andronao ianao ka tonga ny fetran’ny taonanao. Koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ny Jentilisa sy ho fanakoran’ny tany rehetra.

5Na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.

6Indreo, ny lehiben’ny Israely ao aminao dia samy mampiasa ny sandriny avy mba handatsa-dra.

7Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ao aminao no anaovana izay sarotra amin’ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.

8Hamavoinao ny zavatra masina ary lotoinao ny Sabatako.

9Ao aminao no misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-dra; ary ao aminao no misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao no misy manao fahavetavetana.

10Ao aminao no misy mandry amin’ny rainy; ao aminao no misy misavika izay mararin’ny fadimbolana.

11Misy manao fahavetavetana amin’ny vadin’ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny, zanakavavin’ny rainy.

12Ao aminao no misy mandray kolikoly handatsa-dra. Maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ny namanao ka manadino Ahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.

13Koa indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin’ny tsy marina sy ny fandatsahan-dra tao aminao.

14Hahatoha va ny fonao, na hatanjaka va ny tananao amin’ny andro izay hifanatrehako aminao? Izaho TOMPO no nilaza sady hanatanteraka izany.

15Haeliko any amin’ny Jentilisa sy hahahako any amin’ny tany samihafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.

16Dia ho hitan’ny Jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.

17Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

18Ry zanak’olona, ny taranak’Israely dia efa tonga tain-drendrika Amiko; izy rehetra dia varahina, firapotsy, vy ary firaka ao anatin’ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.

19Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ianareo rehetra dia tonga tain-drendrika dia indro, hangoniko ao afovoan’i Jerosalema ianareo.

20Toy ny fanangonana volafotsy, varahina, vy, firaka ary firapotsy ho ao anatin’ny memy ka misy mifofotra azy amin’ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika.

21Eny, hangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin’ny afon’ny fahatezerako Aho ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.

22Toy ny fandrendrika volafotsy ao anatin’ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny. Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no nampidina ny fahatezerako aminareo.

23Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra hoe:

24Ry zanak’olona, lazao aminy hoe: Ianao no tany tsy voadio sady tsy nilatsahan’ny ranonorana tamin’ny andron’ny fahatezerana.

25Manao tetika fikomiana ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.

26Ny mpisorona ao aminy dia mandika ny lalànako sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsy fitovian’ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.

27Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-dra sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ny tsy marina.

28Ny mpaminaniny dia mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra! Nefa NY TOMPO tsy niteny tsinona.

29Ny vahoaka dia manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra, ary ny vahiny dia ampahoriny tsy ara-drariny.

30Nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin’ny banga eo anatrehako hifona ho an’ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita.

31Koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon’ny fahatezerako no handaniako azy. Hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny lalany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help