2Mpanjaka 4 - Malagasy Protestant Bible 2011

Namonjy ny mpitondratena iray i Elisa

1Ary nisy vehivavy iray, vadin’ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’i Elisa hoe: Maty ny vadiko izay mpanomponao; ary ianao dia mahafantatra fa natahotra NY TOMPO ny mpanomponao; nefa tonga ny tompon-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony.

2Dia hoy i Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: Inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy Ravehivavy: Ny mpanompovavinao dia tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja.

3Hoy izy: Andeha mindrana vilany amin’ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy!

4Rehefa tafiditra ianao dia aoka hirindrim-baravarana ao miaraka amin’izy mirahalahy zanakao, ary mampidìna diloilo amin’ireo vilany rehetra ireo ka atokàny izay feno.

5Dia niala teo aminy Ravehivavy ka nirindrim-baravarana miaraka amin’izy mirahalahy zanany, ary nitondra ny vilany nankao aminy izy mirahalahy, fa ny reniny kosa dia nampidina ny diloilo.

6Nony feno ny vilany dia hoy izy tamin’ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Dia tapitra ny diloilo.

7Dia avy Ravehivavy ka nilaza tamin’ny lehilahin’Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo mba anefanao izay trosan’olona aminao ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.

I Elisa sy ilay vehivavy sonemita

8Indray andro i Elisa dia nankany Sonema. Nisy vehivavy mpanankarena iray tao izay nanery azy hisakafo. Isaky ny mandalo izy dia nivily nankao aminy hisakafo.

9Ary hoy Ravehivavy tamin’ny vadiny: Indro, fantatro fa olona masina sady lehilahin’Andriamanitra ilay lehilahy mpandalo eto amintsika mandrakariva iny.

10Miangavy anao aho, andeha isika hanao efitrano kely ambony rihana; hasiantsika fandriana sy latabatra ary seza sy fitoeran-jiro ho azy ao, koa rehefa tonga eto amintsika izy dia ao no hipetraka.

11Indray andro, tonga tao i Elisa ka nipetraka tao amin’ilay efitrano ambony ary nandry tao.

12Ary hoy izy tamin’i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Rehefa nantsoiny Ravehivavy dia nitsangana teo anatrehany.

13Hoy i Elisa tamin’i Gehazy: Mba lazao amin-dRavehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin’izao fikarakarana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin’ny mpanjaka va ianao, na amin’ny lehiben’ny miaramila? Dia namaly Ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin’ny fireneko aho.

14Ary hoy i Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly i Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?

15Ary hoy i Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy dia nitsangana teo am-baravarana.

16Dia hoy izy: Amin’ny fotoana toy izao, amin’ny herintaona, dia hitrotro zazalahy ianao. Nefa hoy Ravehivavy: Tsia, tompokolahy, lehilahin’Andriamanitra! Aza mandainga amin’ny mpanompovavinao!

17Kanefa nanana anaka tokoa Ravehivavy, koa nony niherina ny taona dia tera-dahy izy, dia tamin’ilay fotoana nolazain’i Elisa taminy.

Maty ny zanak’ilay vehivavy sonemita

18Dia niha lehibe ny zaza. Indray andro dia nankany amin’ny rainy tany amin’ny mpijinja vary izy,

19ary hoy izy tamin’ny rainy: Kay! Ny lohako! Ny lohako! Hoy rainy tamin’ny zatovo iray: Ento ho any amin’ny reniny izy.

20Dia notrotroin’ilay zatovo izy ka noentiny ho any amin’ny reniny; nampofoiny mandra-pitataovovonan’ny andro izy dia maty izy avy eo.

21Dia niakatra Ravehivavy ka nampandry azy teo amin’ny fandrianan’ilay lehilahin’Andriamanitra ary narindriny ny trano ka niala teo izy.

22Ary niantso ny vadiny izy ka niteny hoe: Miangavy anao aho, asaivo misy zatovo iray mankaty amiko mitondra borikivavy iray, fa handeha haingana ho any amin’ny lehilahin’Andriamanitra aho dia hiverina indray.

23Fa hoy ny vadiny: Inona no ankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Hoy Ravehivavy: Aza manahy!

24Ary nanisy lasely ny borikivavy Ravehivavy ka hoy izy tamin’ny zatovony: Tariho izy ka mizora; aza ajanonjanonao akory aho raha tsy ampijanoniko ianao!

25Dia lasa Ravehivavy nankany amin’ny lehilahin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan’ilay lehilahin’Andriamanitra avy izy dia hoy izy tamin’i Gehazy zatovony: Ilay vehivavy sonemita irỳ!

26Miangavy anao aho, mihazakazaha hitsena azy ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao? Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zaza? Ary hoy Ravehivavy: Tsara ihany.

27Ary rehefa tonga tany amin’ny lehilahin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy dia nandray ny tongony; nefa nanatona hanosika azy hiala teo i Gehazy. Hoy anefa ny lehilahin’Andriamanitra: Avelao ihany izy fa ory ny fanahiny ao anatiny; NY TOMPO nanafina izany tamiko fa tsy nanambara tamiko.

28Dia hoy Ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy efa nilaza va aho hoe: Aza mamitaka ahy?

29Ary hoy i Elisa tamin’i Gehazy: Misikìna, ary ento eny an-tananao ny tehiko ka mandehana. Raha mifanena amin’olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.

30Hoy anefa ny renin’ny zaza: Raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho! Dia nitsangana ilay lehilahin’Andriamanitra ka nanaraka azy.

31Nialoha azy i Gehazy ka nametraka ny tehina teo amin’ny tavan’ny zaza, nefa tsy nisy feo na fihetsehana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zaza.

Novelomin’i Elisa indray ilay zaza

32Rehefa tonga tao an-trano i Elisa dia indro, efa maty ny zaza sady nampandriana teo am-pandrianany.

33Ary niditra izy ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy ary nivavaka tamin’NY TOMPO i Elisa.

34Dia niakatra izy ka nandry niampatra teo ambonin’ilay zaza, ary ny vavany dia nataony tamin’ny vavany, ny masony tamin’ny masony, ary ny tanany dia tamin’ny tanany; dia niondrika teo amboniny izy ka niha nafana ny tenan’ilay zaza.

35Avy eo niasa dia tao an-trano izy dia niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zaza ary nihiratra ny masony.

36Dia niantso an’i Gehazy i Elisa ka nilaza hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Rehefa tafiditra tao aminy izy dia hoy i Elisa: Raiso ny zanakao.

37Dia niditra Ravehivavy ka niantoraka tamin’ny tongony sady niankohoka tamin’ny tany, ary nandray ny zanany izy ka lasa nandeha.

Ny nanatsaran’i Elisa ilay sakafo saika nahafaty

38Ary niverina nankany Gilgala i Elisa; ary nisy mosary tamin’ny tany; ary raha nipetraka teo anatrehany ny zanaky ny mpaminany dia hoy izy tamin’ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe ary mahandroa hanina ho an’ny zanaky ny mpaminany.

39Dia nankany an-tsaha ny iray hitsongo anana ka nahita voantango dia ary nanangona voany iray trotroana avy amin’io; nony tonga izy dia nosolatsolarany ka narotsany tao amin’ny vilany nisy ny nahandro, nefa tsy nisy nahafantatra izany.

40Dia noloarany hohanin’ny olona io; nefa raha vao nihinana izy dia nitaraina hoe: Ry lehilahin’Andriamanitra ô! Misy fahafatesana ao am-bilany! Dia tsy azony nohanina izany.

41Fa hoy i Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba ka hoy izy: Andoary amin’izay ny olona hohaniny. Dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony ny tao am-bilany.

Ny nampitomboana ny mofo

42Nisy lehilahy avy tany Baala-Salisa nitondra mofo avy amin’ny voaloham-bokatra ho an’ny lehilahin’Andriamanitra, dia mofo varimbazaha roapolo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Hoy anefa i Elisa: Omeo ny olona ireny hohaniny.

43Hoy ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan’ny zato lahy? Ary hoy indray i Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain’NY TOMPO: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.

44Dia narosony teo anoloany ka nihinana izy ireo, ary mbola nisy tokoa sisa tsy lany, araka ny tenin’NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help