Joba 23 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny teny navalin’i Joba: Tsy manaiky ny fifandaharana Andriamanitra

1Dia namaly i Joba hoe:

2Izao dia mbola fikomiana ihany ny fitarainako;

ny tanako dia manampina ny fisentoako.

3Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy

ka ho tonga any amin’ny fitoerany aza!

4Dia ho nandahatra ny teniko eo anatrehany aho

ka nofenoiko ny teny alahatro ny vavako;

5ary nahalala izay teny havaliny ahy aho

sy namantatra izay holazainy amiko.

6Amin-kery lehibe va no handaharany teny amiko?

Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy.

7Fa amin’izany dia olona marina no hifandahatra Aminy

ka hanan-drariny mandrakizay amin’ny Mpitsara ahy aho.

8Nefa raha miantsinanana aho, tsy any Izy;

ary raha miankandrefana aho, tsy hitako Izy;

9mianavaratra any amin’izay iasany aho nefa tsy tazako Izy;

mivily any atsimo Izy nefa tsy hitako.

10Mahalala ny lalana falehako anefa Izy;

raha hozahany toetra aho

dia hivoaka tahaka ny volamena.

11Ny tongotro dia nifikitra tamin’ny lalany;

eny, ny lalany no nizorako tsara ka tsy nivily aho.

12Ny didin’ny molony dia tsy mba nialako;

ny tenin’ny vavany dia notandremako mihoatra noho ny faniriako.

13Nefa tsy miova saina Izy, koa iza no mahasakana Azy?

Fa na inona na inona zavatra iriny dia ataony.

14Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy

ary zavatra maro toy izany no ao Aminy.

15Koa izany no mampangovitra ahy eo anatrehany;

raha misaintsaina izany aho dia matahotra Azy.

16Fa Andriamanitra no mandemy ny foko

ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy.

17Tsy ny fahamaizinana anefa no hampangina ahy

na ny haizim-pito izay manarona ny tavako.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help