1Tantara 27 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny nandaminana ny tafiky ny fanjakana

1Ny amin’ny Zanak’Israely araka ny isany, dia ny loham-pianakaviany, ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’izay raharahany rehetra isan-tokony, izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo sy roa alina avy no isan’ny isan-tokony.

2Ny nifehy ny antoko voalohany, ho amin’ny volana voalohany, dia i Jasobeama, zanak’i Zabdiela; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

3Isan’ny taranak’i Fareza izy sady lehiben’ny mpifehy rehetra tamin’ny tafika amin’ny volana voalohany.

4Ny nifehy ny antokony ho amin’ny volana faharoa dia i Doday ahohita; i Miklota andriandahy no isan’ny antokony; ny antokon’ny Ahohita dia efatra arivo sy roa alina.

5Ny lehiben’ny antokony fahatelo tamin’ny tafika, ho amin’ny volana fahatelo, dia i Benaia, zanak’i Jehoiada mpisorona; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

6Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin’izy telopolo lahy; i Amizabada zanany no isan’ny antokony.

7Ny fahefatra, ho amin’ny volana fahefatra, dia i Asahela, rahalahin’i Joaba, ary i Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

8Ny fahadimy, ho amin’ny volana fahadimy, dia i Samihota jizraita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

9Ny fahenina, ho amin’ny volana fahenina, dia Ira, zanak’Ikesy tekoita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

10Ny fahafito, ho amin’ny volana fahafito, dia i Heleza pelonita, isan’ny taranak’i Efraima; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

11Ny fahavalo, ho amin’ny volana fahavalo, dia i Sibekay hosatita, isan’ny Zerita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

12Ny fahasivy, ho amin’ny volana fahasivy, dia i Abiezera anatotita, isan’ny Benjaminita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

13Ny fahafolo, ho amin’ny volana fahafolo, dia i Maharay netofatita, isan’ny Zarita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

14Ny fahiraika amby folo, ho amin’ny volana fahiraika amby folo, dia i Benaia piratonita, isan’ny taranak’i Efraima; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

15Ny faharoa amby folo, ho amin’ny volana faharoa amby folo, dia i Helday netofatita, isan’ny taranak’i Otniela; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.

Fandaminana ny fanjakana: Ireo lohan’ireo fokon’ny Israely

16Izao no lohan’ireo fokon’ny Israely:

Tamin’ny Robenita dia i Eliezera, zanakalahin’i Zikry;

tamin’ny Simeonita dia i Sefatia, zanakalahin’i Maka;

17tamin’ny levita dia i Hasabia, zanakalahin’i Kemoela;

tamin’ny Aronita dia i Zadoka;

18tamin’ny Joda dia i Eliho, izay isan’ny rahalahin’i Davida;

tamin’ny Isakara dia i Omry, zanakalahin’i Mikaela;

19tamin’ny Zebolona dia i Jismaia, zanakalahin’i Obadia;

tamin’ny Naftaly dia i Jerimota, zanakalahin’i Azriela;

20tamin’ny taranak’i Efraima dia i Hosea, zanakalahin’i Azazia;

tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Joela, zanakalahin’i Pedaia;

21tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin’i Zakaria;

tamin’ny Benjamina dia i Jasiela, zanakalahin’i Abnera;

22tamin’ny Dana dia i Azarela, zanakalahin’i Jerohama.

Ireo no lohan’ireo fokon’ny Israely.

23Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina anefa i Davida satria efa nilaza NY TOMPO fa hampitombo ny Israely ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra.

24Nanomboka nanisa i Joaba, zanak’i Zeroia, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Israely tamin’izany ka tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’i Davida mpanjaka ny isany.

Ny mpitandrina ny fananan’ny fanjakana

25Ny tonian’ny trano fitahirizan’ny mpanjaka dia i Azmaveta, zanak’i Adiela;

ny tonian’ny trano fitahirizana tany ambanivohitra, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny vohitra, na tamin’ny tilikambo, dia i Jonatana, zanak’i Ozia;

26ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia i Ezry, zanak’i Keloba;

27ny mpiandraikitra ny tanim-boaloboka dia i Simey ramatita;

ny tonian’ny fitahirizana divay any amin’ny tanim-boaloboka dia i Zebdy sifmita;

28ny mpiandraikitra ny hazo oliva sy ny aviavy any Sefela dia i Baala-Hanana gaderita;

ny tonian’ny fitahirizana diloilo dia i Joasy;

29ny mpiandraikitra ny fiandrasana omby any Saròna dia i Sitiray sarònita;

ny mpiandraikitra ny omby any an-dohasaha dia i Safata, zanak’i Adlay;

30Ny mpiandraikitra ny rameva dia i Obila ismaelita;

ny mpiandraikitra ny borikivavy dia i Jedeia meronotita;

31ary ny mpiandraikitra ny ondry aman’osy dia i Jaziza hagarita.

Ireo rehetra ireo no tonian’ny fananan’i Davida mpanjaka.

Ireo mpanolotsaina manokana an’i Davida

32I Jonatana, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolotsaina; lehilahy be fahalalana izy sady mpitantsoratra; i Jehiela, zanak’i Hakmony, no nikarakara ny zanaky ny mpanjaka.

33I Ahitofela dia mpanolotsaina ny mpanjaka; i Hosay arkita no namana akaiky ny mpanjaka;

34ny manarakaraka an’i Ahitofela dia i Jehoiada, zanak’i Benaia, sy i Abiatara; ary ny lehiben’ny miaramilan’ny mpanjaka dia i Joaba.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help