Salamo 26 - Malagasy Protestant Bible 2011

Miantso an’Andriamanitra ny tsy manan-tsinyNataon’i Davida.

1Tsarao aho, TOMPO ô, fa mandeha araka ny hitsim-poko;

NY TOMPO no itokiako ka tsy mivembena aho.

2Diniho aho, TOMPO ô, ka fantaro,

izahao toetra ny voako sy ny foko;

3fa ny famindramponao no eo anoloan’ny masoko;

mandeha amin’ny fahamarinanao aho.

4Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho

na manan-draharaha amin’ny olom-petsy;

5halako ny fivorian’ny mpanao ratsy

ary tsy miara-mipetraka amin’ny ratsy fanahy aho.

6Manasa ny tanako amin’ny tsy fananako tsiny aho

ka hanodidina ny alitaranao

7mba hanandratra feo fiderana, TOMPO ô,

sady hilaza ny asanao mahagaga rehetra.

8TOMPO ô, tiako ny trano itoeranao,

dia ny fonenan’ny voninahitrao.

9Aza entinao miaraka amin’ny mpanota aho,

na ny aiko miaraka amin’ny mpandatsa-dra

10izay misy fitaka eny an-tanany

ary feno kolikoly ny tanany havanana!

11Fa izaho dia mandeha amin’ny tsy fananako tsiny;

avoty aho ary amindrao fo!

12Mijoro mahitsy amin’ny tongotro aho;

ao amin’ny fiangonana no isaorako NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help