Salamo 130 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tao amin’ny lalina no niantsoako AnaoHira fanao amin’ny fiakarana.

1Tao amin’ny lalina no niantsoako Anao, TOMPO ô,

2Tompo ô, henoy ny feoko;

aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako.

3Raha mitahiry heloka Ianao, TOMPO ô,

iza no hahajanona, Tompo ô?

4Fa ao Aminao no misy ny famelan-keloka

mba hatahorana Anao.

5Niandry NY TOMPO aho; eny, niandry Azy ny fanahiko

ary ny teniny no nanantenako.

6Ny fanahiko dia miandry ny Tompo

mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina,

dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.

7Manantenà NY TOMPO, ry Israely,

fa ao amin’NY TOMPO no misy ny famindrampo

sy ny fanavotana be.

8Izy no hanavotra ny Israely

ho afaka amin’ny helony rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help