Salamo 1 - Malagasy Protestant Bible 2011

BOKY VOALOHANYNy tena fahasambarana

1Sambatra ny olona

izay tsy manaraka ny fisainan’ny ratsy fanahy

sady tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota

ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira,

2fa ny lalànan’NY TOMPO no sitrany;

eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina.

3Tahaka ny hazo

ambolena eo amoron’ny rano velona

izay mamoa amin’ny fotoanany izy;

tsy mba malazo ny raviny

ary ataony lavorary avokoa ny asany rehetra.

4Tsy mba toy izany kosa ny ratsy fanahy,

fa toy ny akofa aelin’ny rivotra izy.

5Noho izany, tsy hahajanona eo amin’ny fitsarana ny ratsy fanahy,

na eo amin’ny fiangonan’ny marina ny mpanota.

6Fa fantatry NY TOMPO ny lalan’ny marina;

mankany amin’ny fahaverezana kosa ny lalan’ny ratsy fanahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help