Jeremia 30 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tebiteby sy famonjena

1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO:

2Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Soratinao amin’ny boky ny teny rehetra izay nolazaiko taminao.

3Fa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hampodiko ny oloko, dia ny Israely sy ny Joda, avy amin’ny fahababoany, hoy NY TOMPO; eny, hampody azy ho amin’ny tany izay nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.

4Ary izao no teny izay nolazain’NY TOMPO ny amin’ny Israely sy ny Joda,

5eny, izao no lazain’NY TOMPO:

Feo mampangovitra no renay;

tahotra no misy fa tsy fiadanana.

6Anontanionareo ka jereo, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza;

koa nahoana no samy hitako manery ny andilany amin’ny tanany avy ny lehilahy rehetra,

ohatra ilay efa mihetsi-jaza iny,

sady ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?

7Indrisy! Lehibe izany andro izany

ka tsy misy tahaka azy;

andro fahoriana ho an’i Jakoba izany,

nefa ho voavonjy ho afaka amin’izany ihany izy.

8Fa amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ny vozonao, hotapahiko koa ny kofehy namatorana anao, ary tsy hampanompo anao intsony ny firenena hafa;

9fa hanompo NY TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany izay hatsangako ho azy izy.

10Koa aza matahotra ianao,

ry Jakoba mpanompoko,

hoy NY TOMPO;

ary aza mivadi-po, ry Israely;

fa indro, hovonjeko avy any lavitra ianao

ary hovonjeko avy any amin’ny tany izay nahababo azy ny taranakao;

dia hiverina i Jakoba ka hiadana sy handry fehizay,

ary tsy hisy olona hanaitaitra azy intsony.

11Fa momba anao Aho

mba hamonjy anao,

hoy NY TOMPO;

koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra

izay nampielezako anao

dia tsy mba holevoniko kosa ianao;

nefa kosa mba hanariko araka ny onony ihany ianao,

fa tsy dia havelako fotsiny amin’izao.

Faharatrana sy fanasitranana

12Fa izao no lazain’NY TOMPO:

Tsy misy fanafodiny ny faharatranao

ary tsy azo sitranina ny ferinao.

13Tsy misy miaro anao amin’izay mahazo anao; tsy misy famehezana hitsaboana ny ferinao;

ary tsy misy fanafody hanasitranana anao.

14Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa,

tsy mba notadiaviny ianao;

fa famelin’ny fahavalo no namelezako anao,

dia ny famaizana tsy mitsitsy,

noho ny habetsahan’ny helokao

sy ny hamaroan’ny fahotanao.

15Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao

sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra?

Fa noho ny habetsahan’ny helokao

sy ny hamaroan’ny fahotanao

no nanaovako izany taminao.

16Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina,

ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo;

izay mamabo anao dia hobaboina

ary izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina.

17Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao,

eny, hositraniko ny faharatranao,

hoy NY TOMPO.

Havaozin’Andriamanitra ny vahoakany

Noho ny nitenenany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: I Ziona

tsy misy mpitady ity,

18dia izao no lazain’NY TOMPO:

Indro, haveriko amin’ny laoniny ny tranolain’i Jakoba,

ary ny fonenany dia hamindrako fo;

koa ny tanàna dia haorina eo amin’ny havoanany,

ary ny lapan’ny mpanjaka dia haorina indray eo amin’izay toerany marina.

19Ary hisy fisaorana sy feon’ny mifaly avy ao aminy;

dia hahamaro azy Aho

ka tsy hihena ny isany,

sady hanome voninahitra azy Aho

ka tsy hambaniana izy.

20Ny zanany koa dia ho tahaka ny tany aloha,

ny fiangonany dia hampitoerina eo anatrehako

ary hovaliko izay rehetra mampahory azy.

21Ary ny lehibeny dia ho avy ao aminy ihany,

ny mpanapaka azy koa dia ho avy ao aminy ihany;

hampanakaiky azy Aho

ka hanatona Ahy izy,

fa iza moa no sahy hanao ny ainy ho antoka

ka hanatona Ahy?

Hoy NY TOMPO.

22Ho oloko ianareo

ary Izaho ho Andriamanitrareo.

Ny tadion’NY TOMPO

23E! Ny tadion’NY TOMPO!

Mivoaka ny fahatezerana

sy ny tadio mitambolimbolina

ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.

24Ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy hitsahatra

raha tsy efany sy tanterany

ny hevitry ny fony;

mbola ho fantatrareo any am-parany ny amin’izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help