Joba 37 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Eny, izany no mampitepotepo ny foko

ka mampiemponempona azy hiala amin’ny fitoerany.

2Henoy tsara ny fikotrokotroky ny feony

sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ny vavany!

3Mandefa izany ho eny ambanin’ny lanitra rehetra Izy

ary ny tselatra hatrany amin’ny faran’ny tany.

4Aorianan’izany dia misy feo mirohondrohona;

mampikotrokotroka ny feony mahatalanjona Izy,

koa rehefa re ny feony dia tsy sakanany intsony ny tselatra.

5Mampikotrokotroka ny fahagagana ataony Andriamanitra;

manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.

6Ny orampanala dia baikoiny hoe:

Milatsaha eny ambonin’ny tany ianao!

Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra;

eny, ny ranonorany mivatravatra mafy.

7Manakombona ny tanan’ny olona rehetra amin’ny tombo-kase Izy,

mba hahafantatra ny asany ny olona rehetra izay nataony.

8Miditra ao amin’ny fiereny koa ny bibidia

ka mamitsaka ao an-davany.

9Avy any atsimo ny tadio

ary entin’ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.

10Ny fofonain’Andriamanitra no mampisy ranomandry

ka lasa mivaingana ny rano midadasika.

11Ny rahona matevina dia tambesarany rano

ary ny rahona manelatrelatra dia aeliny.

12Dia mihodinkodina amin’izay itarihany azy ireo

mba hanatanteraka izay rehetra andidiany azy

eny ambonin’ny tany, manerana izao tontolo izao,

13na alatsany ho famaizana izany na hanasoa ny taniny

na ho famindrampo.

14Atongilano ny sofinao ka mihainoa, ry Joba!

Mijanòna, koa mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra!

15Fantatrao va ny ibaikoany azy ireny

ka ampamirapiratany ny tselatra eny amin’ny rahony?

16Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina

izay fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana?

17Ianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana

raha migaingaina ny andro azon’ny rivotra avy any atsimo,

18moa va ianao niara-nanefy Taminy ny habakabaka

izay mitoetra mafy toy ny fitaratra natao tamin’ny metaly voarendrika?

19Mba ampianaro anay ary izay holazainay Aminy

fa tsy hitanay izay halahatray noho ny haizina.

20Holazaina Aminy va raha miteny aho?

Moa tsy maintsy miteny va ny olona vao ho reny?

21Tsy hita ankehitriny ny mazava izay notakotakonan’ny rahona;

nefa nisy rivotra nandalo

dia nampisava azy ihany izany

22ka misy mazava mitarehim-bolamena tamy avy any avaratra.

Ao amin’Andriamanitra dia misy famirapiratana mahatahotra!

23Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika.

Lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana

ary ny fahamarinana tanteraka Izy.

Tsy mba mampahory olona Izy.

24Koa izany no hatahoran’ny olona Azy;

tsy mijery izay manao azy ho hendry Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help