Jeremia 46 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Jentilisa.

Ny faharesen’ny Ejiptiana tany Karkemisy

2Ny amin’i Ejipta. Ny amin’ny miaramilan’i Farao-Neko, mpanjakan’i Ejipta, izay teny amoron’ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:

3Mivonòna amin’ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe

ka mandrosoa hiady;

4fehezo amin’ny kalesy fitondra miady ny soavaly

ary itaingeno ny soavaly fitaingina;

mijoroa tsara ianareo ka samia misatroka fiarovan-doha;

fotsio ny lefona,

miakanjoa ny akanjo fiarovan-tratra.

5Indrisy inona ity hitako! Raiki-tahotra

sy miamboho izy,

ary ny maheriny aza dia efa ripaka

sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory;

fa misy fampangorohoroana manodidina,

hoy NY TOMPO.

6Tsy ho afa-mandositra ny haingam-pandeha,

na ho afaka ny mahery;

any avaratra eo amoron’ny ony Eofrata

no hahatafintohina sy hahalavo azy.

7Iza moa izato mizotra tahaka an’i Neily

ary misamboaravoara toy ny renirano ny onjany?

8Ejipta dia mizotra tahaka an’i Neily

sady misamboaravoara toy ny renirano ny onjany;

ary hoy izy: Hizotra aho

ka hanafotra ny tany;

haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.

9Miakara, ianareo soavaly,

ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy fitondra miady;

ary aoka hiainga ny lehilahy mahery,

dia ny Kosy sy ny Pota

izay mitana ampinga,

ary ny Loda

izay mitana sy manenjana tsipìka.

10Fa izao andro izao dia an’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao,

ho andro famaliana

hamaliany ny fahavalony;

dia hihinana ny sabatra ka ho voky

ary ho mamon’ny ran’ireo;

fa ny Tompo, dia NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no mamono zavatra hatao fanatitra

any amin’ny tany avaratra eo amoron’ny ony Eofrata.

11Miakara any Gileada ka makà balisama, ry Ejipta zanakavavy virijiny;

foana ny nanaovanao fanafody maro,

fa tsy manana fanafody hanasitranana ny ferinao ianao.

12Efa ren’ny firenena ny henatrao

ary ny fiantsoantsoanao dia nanenika ny tany;

fa mifandona ny samy mahery

ka miaraka lavo izy roa tonta.

Fanafihana an’i Ejipta

13Ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny hiavian’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely ny tany Ejipta.

14Ambaraonareo any Ejipta

ary torio any Migdola,

eny, torio any Nofa sy Tapanesa

ka lazao hoe: Mijoroa tsara ianao ka miomàna;

fa mandringana manodidina anao ny sabatra.

15Nahoana no voapaoka ny maherinao?

Tsy nahafahatra izy satria NY TOMPO no nandroaka azy.

16Efa nahatafintohina ny maro Izy

ka lavo mifanindry ireo; dia hoy ireo:

Mitsangàna ka andeha isika hiverina ho any amin’ny firenentsika

sy ho any amin’ny tany nahaterahantsika

ho afaka amin’ny sabatra mandoza.

17Nantsoina hoe:

Tabataba foana i Farao, mpanjakan’i Ejipta, nefa nandiso ny fotoana nifanarahana izy.

18Raha velona koa Aho,

hoy ny Mpanjaka, ny anarany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Tahaka an’i Tabara amin’ny tendrombohitra

sy tahaka an’i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hiaviany.

19Ry mponina ao Ejipta,

ampirimo ny entana hoentinao any amin’ny fahababoana;

fa ho tonga tany lao Nofa,

eny, hodorana izy

ka tsy hisy mponina.

20Ejipta dia tahaka ny ombivavy kely tena tsara tarehy;

Fa injay tamy! Eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!

21Na dia ny olona mpikarama an’ady ao aminy aza,

izay tahaka ny ombilahy kely mifahy,

ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; tsy mahajanona izy

fa tonga aminy ny andro hahitany loza,

dia ny andro hamaliana azy.

22Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha;

fa mandeha mitondra miaramila izy

ka avy hamely azy amin’ny famaky

toy ny mpikapa hazo.

23Kapainy ny alany,

hoy NY TOMPO,

satria efa nikirindro loatra;

fa maro noho ny valala izy

ka tsy tambo isaina.

24Ho afa-baraka i Ejipta zanakavavy,

hatolotra eo an-tanan’ny olona any avaratra izy.

25Ary hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hovaliko i Amona avy any No, ary i Farao sy i Ejipta mbamin’ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia i Farao sy izay rehetra matoky azy;

26ary hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo an-tanan’ny mpanompony. Ary aorianan’izany, dia ho azo honenana toy ny tamin’ny andro fahiny ihany indray izy, hoy NY TOMPO.

Afaka Israely

27Fa aza matahotra ianao,

ry Jakoba mpanompoko,

ary aza mivadi-po, ry Israely!

Fa indro, hovonjeko avy any amin’ny tany lavitra ianao,

ary ny taranakao avy any amin’ny tany nahababo azy;

dia hiverina i Jakoba ka hiadana,

eny, handry fehizay izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.

28Aza matahotra ianao,

ry Jakoba mpanompoko,

hoy NY TOMPO,

fa momba anao Aho.

Fa na dia levoniko aza

ny firenena rehetra izay nandroahako anao

dia tsy mba holevoniko ianao,

nefa kosa mba hanariko araka ny fitsarako ihany ianao

fa tsy dia havelako fotsiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help