Ezekiela 2 - Malagasy Protestant Bible 2011

Maniraka an’i Ezekiela ho any amin’ny Israely Andriamanitra

1Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho.

2Ary nisy fanahy tonga tao anatiko raha niteny tamiko Izy ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.

3Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, maniraka anao ho any amin’ny Zanak’Israely Aho, eny, ho amin’ireo Jentilisa mpikomy izay nikomy tamiko; izy sy ny razany dia samy nanota tamiko avokoa mandraka androany;

4ireo zanakalahy ireo dia mafy handrina sy mafy fo; any amin’ireo no anirahako anao, ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra.

5Ary na hihaino izy na tsy hihaino, fa taranaka maditra izy, dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo anivony.

6Ary ianao, ry zanak’olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny songosongo sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin’ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.

7Ary holazainao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena maditra izy.

8Fa ianao kosa, ry zanak’olona, mihainoa izay lazaiko aminao: Aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao! Sokafy ny vavanao ka hano izay afahako anao!

9Ary hitako fa indro, nisy tanana nitsotra tamiko, ary indro, nisy horonan-taratasy teny aminy.

10Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivelany; ary fitomaniana sy fidradradradrana sy fitarainana no voasoratra teo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help