Jeremia 6 - Malagasy Protestant Bible 2011

Misy loza sy fandringanana be mandrahona an’i Jerosalema

1Mandosira haingana hiala an’i Jerosalema, ianareo zanak’i Benjamina!

Tsofy ao Tekoa ny anjomara

ka manangàna famantarana ao Bety-Hakerema;

fa misy loza sy fandringanana be miposaka

avy any avaratra.

2Aringako ilay tsara tarehy sy mihantahanta,

dia i Ziona zanakavavy.

3Ao aminy no alehan’ny mpiandry ondry sy ny ondriny;

haoriny manodidina azy ny tranolainy

ka samy handany ny ao akaikiny avy izy.

4Miomàna ianareo hanao ady masina hamelezana azy;

mitsangàna ka andeha isika hamely azy antoandrobenanahary.

Lozantsika! Fa lasan-davitra ny andro,

ary efa mandroso ny aloky ny hariva.

5Mitsangàna ka andeha isika hanao latsaka alina

ary aoka horavantsika ny lapany.

Fampandrenesana ampahibemaso

6Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Kapao ny hazo,

ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema;

io ilay tanàna hovaliana,

fa feno fampahoriana ny ao anatiny.

7Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony

no ampiboiboihany ny faharatsiany;

herisetra sy fandravana no re ao aminy;

eo anatrehako mandrakariva

ny faharariana sy ny faharatrana.

8Minoa anatra ianao, ry Jerosalema,

fandrao hiala aminao ny fanahiko,

ary fandrao hataoko tany lao ianao,

dia tany tsy azo onenana.

Vahoaka mandà tsy hihaino

9Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Hotsimponina tsirairay toy ny fitsimpona voaloboka

izay sisa amin’ny Israely;

avereno ho amin’ny rantsany indray ny tananao,

toy ny an’ny mpioty voaloboka.

10Iza no hilazako

sy hanariko mba handrenesany?

Indro, ny sofiny dia tsy voafora

ka tsy mahahaino izy.

E! Ny tenin’NY TOMPO

dia fahafaham-baraka ho azy ireo

ka tsy ankamamìny.

11Fa feno ny fahatezeran’NY TOMPO aho

ka tsy zakako tsindriana intsony izany!

Aidino amin’ny ankizy madinika eny an-dalambe

sy amin’ny andian-jatovo izany;

fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa,

na ny antitra sy efa ela niainana koa.

12Ho lasan’ny sasany ny tranony

mbamin’ny sahany sy ny vehivavy koa;

fa hatsotrako amin’ny mponina amin’ny tany ny tanako,

hoy NY TOMPO.

13Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe,

dia samy fatra-pila harena avokoa;

na ny mpaminany na ny mpisorona

dia samy mamitaka avokoa.

14Fa nataotaony foana ny fanasitranany

ny faharatran’ny oloko zanakavavy

tamin’ny nitenenany hoe: Fiadanana, fiadanana!

Kanjo tsy misy fiadanana akory!

15Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana;

nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy

ary tsy mba tsapany ny hadisoany,

koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy;

amin’ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy,

hoy NY TOMPO.

16Izao no lazain’NY TOMPO:

Mijanòna eo an-dalana ianareo ka zahao

ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela:

Aiza izay lalana mankany amin’ny tsara? Iny no izory,

dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo;

nefa hoy izy ireo:

Tsy hizotra amin’iny izahay.

17Ary nasiako mpitily teo aminareo hiteny hoe:

Henoy ny feon’ny anjomara!

Nefa hoy ianareo:

Tsy hihaino izahay.

18Koa henoinareo, ry Jentilisa,

ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana,

ny hanjo azy.

19Henoy, ry tany!

Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity firenena ity,

dia ny vokatry ny heviny ihany;

fa tsy nihaino ny teniko izy

ary nolaviny ny lalànako.

20Nahoana Aho no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba

sy veromanitra avy any amin’ny tany lavitra?

Tsy sitrako ny fanatitra doranareo manontolo

ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra.

21Koa izao no lazain’NY TOMPO:

Indro, hasiako fahatafintohinana eo amin’ity firenena ity

ka samy ho tafintohina amin’izany ny ray mbamin’ny zanany;

ho faty ny mpiaramonina mbamin’ny namany.

Efa an-dalana ny mpandringana

22Izao no lazain’NY TOMPO:

Indro, misy firenena avy any amin’ny tany avaratra,

dia firenena lehibe mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.

23Tsipìka sy lefona no entiny,

lozabe sady tsy mamindra fo izy;

ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina

ary mitaingin-tsoavaly izy

sady voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady,

hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.

24Renay ny lazany

ka miraviravy tanana izahay;

fahoriana no mahazo anay,

eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy eo am-piterahana.

25Aza mandeha ho any an-tsaha

ary aza mankeny amin’ny lalambe;

fa manan-tsabatra ny fahavalo,

misy fampihorohoroana avy amin’ny manodidina.

26Ry oloko zanakavavy,

misikìna lamba fisaonana ianao

ary mihosena lavenona

ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana,

dia fitomaniana fatratra;

fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.

Mpikomy maditra

27Ho mpizaha toetra ao amin’ny oloko no nanendreko anao,

dia ho fiarovana mafy,

mba hahafantaranao

sy hizahanao toetra ny alehany.

28Tena mpikomy maditra avokoa izy rehetra

ka mandehandeha manaratsy olona;

varahina sy vy izy;

samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.

29May ny tafoforana,

levon’ny afo ny firaka,

foana ny nandrendrehan’ny mpandrendrika,

nefa tsy voaisotra ny ratsy.

30Ataon’ny olona hoe volafotsy tsy ilaina izy

satria tsy ilain’NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help