Marka 3 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ilay lehilahy iray maty tanana Mat 12.9-14; Lio 6.6-11

1Ary niditra tao amin’ny sinagoga indray Jesosy. Ary indro, nisy lehilahy iray maty tanana tao.

2Ary nijery izay ho fihetsiny ny olona, na hanasitrana an’ilay marary amin’ny Sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy.

3Dia hoy Jesosy tamin’ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.

4Ary hoy koa Izy tamin’ny olona: Inona moa no tokony hatao amin’ny Sabata, ny manao soa va sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va sa ny mamono? Fa tsy nisy niteny ny olona.

5Ary nibanjina azy ireo tamim-pahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ny fony ka hoy Izy tamin-dRalehilahy: Atsory ny tananao. Dia natsotrany ka sitrana ny tanany.

6Ary niala tao amin’ny sinagoga ny Fariseo ka avy hatrany dia nikaon-doha niaraka tamin’ny Herodiana hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty Azy.

Ny nanatonan’ny olona an’i Jesosy Mat 4.23-25; 12.15-16; Lio 6.17-19

7Ary niala teo Jesosy mbamin’ny mpianany ka nankany amin’ny ranomasina. Nisy olona marobe avy tany Galilia nanaraka Azy, ary nisy olona marobe koa avy tany Jodia,

8Jerosalema, Edoma, avy tany andafin’i Jordana sy ny tany manodidina an’i Tiro sy i Sidona izay nandre izay zavatra nataony ka nankany Aminy.

9Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambokely iray ho Azy noho ny habetsahan’ny vahoaka, mba tsy hifanositosika Aminy ny olona.

10Fa efa nanasitrana olona maro Izy ka nirohotra nankeo Aminy mba hikasika Azy izay rehetra nanana aretina.

11Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy, dia niankohoka teo anatrehany ka niteny mafy hoe: Ianao no Zanak’Andriamanitra!

12Nefa nandrara azy ireo mafy Izy mba tsy hanao izay hahafantarana Azy.

Ny nifidianan’i Jesosy ny roa amby folo lahy Mat 10.1-4; Lio 6.12-16; Asa 1.13

13Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo Aminy, dia nankeo Aminy ireo.

14Ary nanendry roa amby folo lahy Izy mba ho eo Aminy sy hirahiny hitoriteny

15sady hanana fahefana handroaka ny demonia.

16I Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;

17i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahin’i Jakoba; izy mirahalahy ireo dia nomeny anarana hafa koa hoe Boanerjesy, izany hoe Zana-baratra;

18i Andrea, i Filipo, i Bartolomeo, i Matio, i Tomasy, i Jakoba zanak’i Alfeo, i Tadeo, i Simona kananeana

19ary i Jodasy iskariota, ilay namadika Azy.

Mifandray amin’ny demonia va Jesosy?

20Ary niditra tao amin’ny trano iray Jesosy, dia vory indray ny vahoaka ka tsy afaka nisakafo akory Izy.

21Ary ny havany, raha nandre izany, dia tonga mba haka Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.

Mat 12.24-29; Lio 11.15-22

22Ary ny mpanoradalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia niteny hoe: Manana an’i Belzeboba Izy, ary koa: Ny lohan’ny demonia no androahany ny demonia.

23Ary Jesosy niantso azy ireo hankeo Aminy ary nilaza fanoharana taminy hoe: Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?

24Raha misy fanjakana miady an-trano dia tsy haharitra izany fanjakana izany.

25Ary raha misy mpiray trano miady an-trano dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.

26Ary raha i Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano dia tsy haharitra izy fa ho rava ny heriny.

27Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany raha tsy afatony aloha ilay mahery dia izay vao robainy ny ao an-tranony.

Mat 12.31-33; Lio 12.10

28Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’olombelona amin’ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;

29fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.

30Ny olona mantsy dia niteny hoe: Azom-panahy maloto Izy.

Ny tena havan’i Jesosy Mat 12.46-50; Lio 8.19-21

31Ary tonga ny reniny mbamin’ireo rahalahiny ka nijanona teo alatrano, dia naniraka olona hankao Aminy hiantso Azy.

32Ary nipetraka manodidina Azy ny vahoaka ka nilaza Taminy hoe: Indreo, ao alatrano ny reninao sy ireo rahalahinao ary ireo anabavinao mitady Anao.

33Ary Izy namaly azy ireo hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?

34Ary nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy ka niteny hoe: Ireto ny reniko sy ny rahalahiko!

35Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’Andriamanitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help