Isaia 55 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ianareo rehetra izay mangetaheta, avia!

1E! Ianareo rehetra izay mangetaheta!

Mankanesa amin’ny rano;

ary ianareo izay tsy manam-bola,

avia, mividiana ka homana;

eny, avia, mividiana divay sy ronono,

nefa tsy amim-bola na amin-karena!

2Nahoana ianareo no mandany vola

amin’izay tsy hanina?

Nahoana ianareo no misasatra

amin’izay tsy mahavoky?

Henoy tsara Aho,

hano izay tsara,

dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo.

3Atongilano ny sofinareo ka mankanesa atỳ amiko;

mihainoa dia ho velona ianareo;

ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,

dia ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida.

4Indro, nataoko vavolombelona ho an’ny firenena Izy,

ho mpanapaka sy komandy amin’ny firenena.

5Indro firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao

ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho eo aminao

noho ny amin’NY TOMPO Andriamanitrao,

ny Iray Masin’ny Israely

izay manome voninahitra anao.

6Mitadiava NY TOMPO

dieny mbola mety ho hita Izy,

miantsoa Azy

dieny mbola akaiky Izy.

7Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy,

ary hahafoy ny heviny ny tsy marina;

ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny,

fa hamindra fo aminy Izy;

eny, ho amin’Andriamanitsika,

fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.

8Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo

ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako,

hoy NY TOMPO.

9Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany

no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo

sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.

10Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra

ka tsy miverina any

raha tsy efa nahavonto ny tany

ka nampaniry sy nampahavokatra azy

mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy

sy hanina ho an’ny mpihinana,

11dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:

Tsy hiverina amiko foana izy

raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako,

ary ambinina amin’izay

ampandehanako azy.

12Fa amin’ny fifaliana no hivoahanareo,

ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo;

hahavelona hoby eo alohanareo

ny tendrombohitra sy ny havoana,

ary ny hazo rehetra any an-tsaha dia hitehaka.

13Haniry ho solon’ny tsilo ny hazo kipreso,

ary ho solon’ny sampivato ny mirta;

ary ho anarana ho an’NY TOMPO izany,

dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help