Eksodosy 15 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny hira nataon’i Mosesy sy ny Zanak’Israely

1Tamin’izay i Mosesy sy ny Zanak’Israely dia nihira izao hira izao ho an’NY TOMPO hoe:

Hihira ho an’NY TOMPO aho fa avo indrindra Izy;

ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany any amin’ny ranomasina.

2NY TOMPO no heriko sy anton’ny fiderako,

fa famonjena ahy Izy;

Izy no Andriamanitro ka hankalaza Azy aho.

Izy no Andriamanitry ny razako

ka hanandratra Azy aho.

3NY TOMPO dia mpiady mahery.

NY TOMPO no anarany.

4Ny kalesin’i Farao fitondra miady sy ny miaramilany

dia natsipiny ao amin’ny ranomasina;

ary ny manamboninahitra voafantina

dia nilentika ao amin’ny Ranomasina Mena.

5Nanarona azy ireo ny lalina:

Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy ireo.

6Ny tananao ankavanana, TOMPO ô,

dia malaza amin’ny hery;

ny tananao ankavanana, TOMPO ô,

no manorotoro ny fahavalo.

7Amin’ny halehiben’ny voninahitrao

no andringananao izay mitsangana hanohitra Anao;

alefanao ny fahatezeranao mirehitra

ka mandevona azy toy ny mololo.

8Ny fofonain’ny vavoronao

no nampivangongo ny rano;

nijoro toy ny antontan-javatra ny rano mikoriana;

nivaingana teo afovoan’ny ranomasina ny rano lalina.

9Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho,

hizara babo aho ka hameno ny tendako amin’izany,

hotsoahiko ny sabatro

ka hamongotra azy ny tanako.

10Ny fofonainao no nitsofanao

dia nanarona azy ny ranomasina;

nilentika tahaka ny firaka ao anatin’ny rano mahery izy.

11TOMPO ô, iza no tahaka Anao

amin’izay andriamanitra?

Iza no tahaka Anao,

izay ankalazaina amin’ny fahamasinana,

deraina amin’ny fahatahorana,

ary mpanao fahagagana?

12Natsotranao ny tananao ankavanana

dia nitelina azy ireo ny tany.

13Tarihinao amin’ny famindramponao

ny firenena izay navotanao;

entinao amin’ny herinao izy ho any amin’ny fonenanao masina.

14Mandre ireo firenena ka raiki-tahotra;

hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;

15toran-kovitra ireo loham-pirenen’i Edoma;

azon-korohoro ireo lehilahy maherin’i Moaba;

reraka ny fon’izay rehetra monina any Kanana.

16Tonga aminy ny tahotra sy ny hovitra;

noho ny halehiben’ny sandrinao

dia mangina tahaka ny vato izy,

mandra-pandalon’ny olonao, TOMPO ô,

mandra-pandalon’ny olona izay nalainao ho Anao.

17Dia hampiditra azy Ianao

ka hamponina azy ao amin’ny tendrombohitra lovanao,

ao amin’ny fonenana nataonao hitoeranao, TOMPO ô,

dia ao amin’ny fitoerana masina

naorin’ny tananao, Tompo ô.

18NY TOMPO hanjaka mandrakizay doria.

19Fa niditra tao anaty ranomasina ny soavalin’i Farao sy ny kalesy fitondrany miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary NY TOMPO nampikatona ny ranomasina tamin’izy ireo; fa ny Zanak’Israely kosa dia nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina.

20Ary i Miriama mpaminanivavy, anabavin’i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tanany; ary nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.

21Ary namaly azy ireo i Miriama hoe:

Mihirà ho an’NY TOMPO

fa avo indrindra Izy;

ny soavaly sy ny mpitaingina azy

dia nariany ao amin’ny ranomasina.

Ny rano tao Mara

22Ary nitondra ny Israely nifindra avy teo amoron’ny Ranomasina Mena i Mosesy ka nitarika azy ho any amin’ny tany efitra Sora, ary nandeha hateloana tany an-tany efitra ireo nefa tsy nahita rano.

23Dia tonga tao Mara izy ireo nefa tsy nahasotro ny rano tao Mara satria nangidy ny rano tao. Izany no nanaovany ny anarany hoe Mara.

24Ary nimonomonona tamin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inona no hosotroinay?

25Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy ka nanehoan’NY TOMPO hazo iray; rehefa natsipiny tao anatin’ny rano io hazo io dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’NY TOMPO lalàna sy fitsipika ho azy ary tao no nizahany toetra azy

26ka hoy Izy: Raha mazoto mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manao izay mahitsy eo imasony sy mihaino ny lalànany ary mitandrina ny didiny rehetra dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra izay nataoko tamin’ny Ejiptiana ireny; fa Izaho no TOMPO izay manasitrana anao.

27Dia tonga tao Elima izy ireo; tao no nisy loharano roa amby folo sy hazo daty fitopolo, dia nitoby teo anilan’ny rano izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help