Isaia 49 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny Mpanompon’NY TOMPO, fahazavan’ny firenena

1Mihainoa Ahy, ry nosy!

Atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra!

NY TOMPO efa niantso Ahy hatrany am-bohoka,

hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’Ineny no efa notsarovany ny anarako.

2Nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako;

tao amin’ny aloky ny tanany no nanafenany Ahy.

Nataony zana-tsipìka voaranitra tsara Aho;

teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.

3Hoy Izy tamiko: Mpanompoko Ianao, ry Israely ô,

izay entiko mampiseho ny voninahitro.

4Fa hoy kosa Aho:

Foana ny nisasarako,

zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko;

kanefa ao amin’NY TOMPO ny rariny tokony ho Ahy,

ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.

5Ary ankehitriny dia hoy NY TOMPO

izay namorona Ahy hatrany am-bohoka

ho Mpanompony,

hampodiana ny Jakoba ho ao Aminy indray

sy hamoriana ny Israely ho ao Aminy;

fa mahazo voninahitra eo imason’NY TOMPO Aho,

ary Andriamanitro no heriko.

6Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana raha tonga Mpanompoko

hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao

ary hampody ny Israely sisa voaaro;

fa hataoko ho fanazavana ny Jentilisa koa Ianao

mba hitondra ny famonjeko

hatrany amin’ny faran’ny tany.

Ny hanafahana ny Babo

7Izao no lazain’NY TOMPO,

Mpanavotra ny Israely, dia ny Iray Masiny,

amin’Ilay hamavoin’ny olona

sy halan’ny firenena

ka tonga mpanompon’ny mpanapaka:

Hahita ka hitsangana ny mpanjaka,

ary ny mpanapaka koa dia hiankohoka

noho ny amin’NY TOMPO izay mahatoky,

dia ny Iray Masin’ny Israely izay nifidy Anao.

8Izao no lazain’NY TOMPO:

Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao

ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao;

dia hiaro Anao Aho ka hanao Anao

ho fanekena ho an’ny olona

mba hanangana ny tany indray

sy hizara ny fananana izay efa rava;

9hiteny amin’ny mpifatotra hoe: Mivoaha tao!

ary amin’izay ao amin’ny maizina hoe: Misehoa!

Hihinana eny an-dalana izy ireo

ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany.

10Tsy ho noana

na hangetaheta izy;

tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro;

fa izay mamindra fo aminy no hitarika azy

ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrany azy.

11Hataoko tonga lalana ny tendrombohitro rehetra

ary hasandratra ny lalambeko.

12Indreo, tonga avy lavitra ireto;

ary indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto,

ary avy any amin’ny tany Sinima ireto.

13Mihobia, ry lanitra!

Miravoravoa, ry tany!

Velomy ny hoby, ry tendrombohitra!

Fa NY TOMPO efa nampionona ny olony,

mamindra fo amin’ny olony mahantra Izy.

Jerosalema ho voaorina indray sy honenana indray

14Fa hoy i Ziona: NY TOMPO efa nahafoy ahy,

efa nanadino ahy ny Tompoko.

15Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy

ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony?

Eny, mety manadino ihany izy,

fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.

16Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao;

ary eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.

17Tamy haingana ny zanakao;

ary izay nanimba sy nandrava anao

dia miala aminao.

18Atopazy manodidina ny masonao ka mijere;

ireo rehetra ireo dia mivory

ka mankeo aminao.

Raha velona koa Aho,

hoy NY TOMPO,

dia hihaingoanao tahaka ny firavaka tokoa ireo rehetra ireo.

Hiravahanao

tahaka ny fanaon’ny ampakarina izany.

19Eny, ny taninao rava sy ny fonenanao lao

ary ny taninao simba

dia tsy ho omby amin’izany, noho ny habetsahan’ny mponina

ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.

20Ny zanakao izay tsy nanananao teo aloha

dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe:

Tsy omby ahy loatra ity tany ity

mikisaha kely mba hitoerako.

21Dia hiteny anakampo ianao hoe:

Iza no niteraka ireto ho ahy?

Izaho anefa tsy mba nanan-janaka

sady momba.

Babo sady noroahina aho,

koa iza no nanabe ireto?

Indro, nilaozana ho irery aho,

fa taiza kosa moa ireto?

22Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:

Indro, hanandratra ny tanako any amin’ny Jentilisa Aho

ary hanangana ny fanevako any amin’ny firenena;

dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo,

ary ny zanakao vavy dia hoentiny eny an-tsorony.

23Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao

ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao;

hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy

ka hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao;

dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO

ka tsy hitsanga-menatra izay manantena Ahy.

24Azo alaina amin’ny mahery va ny babony?

Na ho afaka va ny babon’ny marina?

25Nefa izao no lazain’NY TOMPO:

Na dia ny babon’ny mahery aza dia halaina ihany,

ary ho afaka ny babon’ny mpampihorohoro;

fa Izaho no hiady amin’izay miady aminao,

ary Izaho no hamonjy ny zanakao.

26Hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany izay mampahory anao

ary ho mamon’ny ran’ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ny ranom-boaloboka;

dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho TOMPO no Mpamonjy anao,

ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help