2Samoela INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy votoatin’ny BokyNy Boky dia tohin’ny 1Samoela ihany ary mitantara ny fanjakan’i Davida, izay mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny Israely manontolo; manomboka amin’ny hira fisaonana nataon’i Davida noho ny nahafatesan’i Saoly sy i Jonatana; avy eo dia milaza ny nanjakan’i Davida tamin’ny fokon’i Joda. Nanjaka roa taona tany amin’ireo foko tany Avaratra Isboseta zanak’i Saoly, fa rehefa maty io dia nanaraka an’i Davida koa ireo foko ireo ka tonga mpanjakan’ny foko roa amby folo tamin’ny Israely izy.Ny mpanoratra dia maneho tokoa ny hery sy lazan’i Davida, kanefa tsy afeniny koa ny fahalemeny ka ambarany ireo zava-nitranga nampalahelo izay nanamaloka ny fiainam-pianakaviany. Amin’izany i Davida dia hita ho olombelona nofo aman-dra, fa ny tena fahalehibiazan’i Davida dia izy nahalala niaiky ny fahotany ka nangataka famelan-keloka tamin’Andriamanitra.Atỳ aoriana, rehefa mandroso ny tantaran’ny Zanak’Israely, dia i Davida no aseho ho filamatry ny Mesia na ny mpanjaka mpamonjy. Tsaroan’ny Israely tokoa ny teny fikasana nataon’i Natana mpaminany, izay nanambara fa hisy mpanjaka handimby azy, ary ny sezafiandrianany dia haharitra mandrakizay. Noho izany indrindra no ilazana an’i Jesosy ho «Ny Zanak’i Davida» ao amin’ny Testamenta Vaovao.Ny firafitry ny BokyNy nisaonan’i Davida an’i Saoly sy i Jonatana: 1Ny nanjakan’i Davida tamin’ny fokon’i Joda: 2–4Ny nanjakan’i Davida tamin’ny foko roa amby folo: 5–20Tantara samihafa tamin’ny andron’i Davida, salamo mitovy amin’ny Sal 18, ary ny farateny nataon’i Davida: 21–24
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help