Ohabolana 22 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Aleo tsara laza toy izay be harena;

tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.

2Mihaona ny mpanankarena sy ny mahantra,

fa NY TOMPO no mpanao azy roa tonta.

3Ny mahira-tsaina dia mahatsinjo ny loza ka miery,

fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.

4Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana NY TOMPO

dia harena sy voninahitra ary fiainana.

5Tsilo sy fandrika no amin’ny lalan’ny maditra,

fa izay te hiaro ny ainy dia manalavitra izany.

6Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza

ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.

7Ny mpanankarena dia mifehy ny mahantra

ary izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.

8Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana

ary ho levona ny tsorakazon’ny fahatezerany.

9Hotahìna izay manana maso miantra

satria anomezany ho an’ny mahantra ny haniny.

10Roahy ny mpaniratsira dia ho afaka ny fifandirana;

eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.

11Izay tia fahadiovam-po dia milaza soa ny molony

sady sakaizan’ny mpanjaka izy.

12Ny mason’NY TOMPO dia miaro ny fahalalana,

fa ny tenin’ny mpivadika asafotofotony.

13Hoy ny kamo: Misy liona any ivelany any;

ho faty ao an-dalambe ao aho!

14Ny tenin’ny vehivavy jejo dia lavaka lalina;

izay tezeran’NY TOMPO no ho latsaka ao.

15Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana,

fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.

16Izay mampahory ny mahantra dia mampitombo harena azy,

fa izay manome ho an’ny manana kosa dia mampihena ny hareny.

Tenin’ny hendry

17Atongilano ny sofinao ka henoy ny tenin’ny hendry

ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao.

18Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao anatinao izany,

koa aoka samy ho vonona eo amin’ny molotrao izy rehetra.

19Ianao dia ianao no nampahafantariko izany

mba hitokianao amin’NY TOMPO.

20Tsy efa nanoratra toko telopolo ho anao va aho,

ka misy hevitra tsara sy fahalalana ao

21mba hampahafantarako anao ny fahamarinan’ny teny mahatoky

sy hahazoanao ny teny holazaina amin’izay naniraka anao?

22Aza mandroba ny mahantra noho ny fahantrany

ary aza dia manitsakitsaka ny ory eo amin’ny fitsarana.

23Fa NY TOMPO anie ka hisolo vava azy amin’ny adiny

ary hamongotra ny ain’izay mamongotra azy.

24Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra

ary aza miara-dia amin’ny olona saro-po,

25fandrao hianatra ny fanaony ianao

ka hahazo fandrika ho an’ny ainao.

26Aza mety ho isan’ny mifandray tanana,

na izay mianto-trosa;

27raha tsy manan-kaloa ianao,

nahoana no dia halainy ny lafika fandrianao?

28Aza manakisaka ny fanamarihana ny zaratany efa teo hatry ny ela

ary efa natsangan’ny razanao.

29Mahita olona kinga amin’ny raharahany va ianao?

Eo anatrehan’ny mpanjaka no hijoroany,

fa tsy hijoro eo anatrehan’ny olona ambany toerana izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help