Salamo 111 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandoham-pahendrena

1 Haleloia.

alef א

Hidera NY TOMPO amin’ny foko manontolo aho,

bet ב

eo amin’ny fivorian’ny marina sy ny fiangonan-dehibe.

gimel ג

2Lehibe ny asan’NY TOMPO

dalet ד

ka dinihin’izay rehetra mankasitraka azy.

he ה

3Madera sady malaza ny asany;

vav ו

maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

zaìn ז

4Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy;

het ח

miantra sy mamindra fo NY TOMPO.

tet ט

5Nomeny hanina izay matahotra Azy;

iod י

tsarovany mandrakizay ny fanekeny.

kaf כ

6Nasehony tamin’ny olony ny herin’ny asany

lamed ל

tamin’ny nanomezany azy ny lovan’ny Jentilisa.

mem מ

7Ny asan’ny tanany dia fahamarinana sy fitsarana;

non נ

mahatoky avokoa ny didiny rehetra;

samek ס

8mitoetra mafy mandrakizay doria ireny

aìn ע

fa natao tamin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

pe פ

9Nandefa fanavotana ho an’ny olony Izy;

tsade צ

nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy;

kof ק

masina sy mahatahotra ny anarany.

res ר

10Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandoham-pahendrena;

sin ש

fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany;

tao ת

maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help