Isaia 4 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito

hihazona lehilahy iray ka hiteny hoe:

Ny haninay ihany no hohaninay

ary ny fitafianay ihany no hanaovanay;

fa izao no hany angatahinay: Aoka hampitondraina ny anaranao izahay

ka afaho tondro-maso!

Ireo nieren-doza tamin’ny Israely

2Amin’izany andro izany dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra ny solofon’NY TOMPO, ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an’izay nieren-doza tamin’ny Israely.

3Koa izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina, dia izay rehetra voasoratra ho isan’ny velona any Jerosalema.

4Rehefa voasasan’ny Tompo ho afaka amin’ny fahalotoany ireo zanakavavin’i Ziona, ary voadion’ny fanahin’ny fitsarana sy ny fanahin’ny fandringanana ho afaka amin’ny ran’olona nalatsany i Jerosalema,

5dia hamorona rahona sy setroka NY TOMPO amin’ny antoandro ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina. Ho eny ambonin’ny toerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona izany sady ho eny ambonin’ny fivoriany rehetra; satria ho fiarovana eo ambonin’ny zavatra rehetra ny voninahiny.

6Hisy tranolay ho fialokalofana amin’ny hainandro raha antoandro sady ho fialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help