Joba 26 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny teny navalin’i Joba: Izao va no mba famonjena omenao ahy?

1Dia namaly i Joba hoe:

2Endre! Izato fanohananao ny tsy manan-kery

sy izato fampatanjahanao ny sandry malemy!

3Mahay manolotsaina ny tsy hendry ianao

ary mampahafantatra fahendrena betsaka!

4Iza anefa no andaharanao teny?

Ary avy amin’iza ny fanahiny izay mivoaka avy aminao?

5Ny matoatoa dia mitaintaina

any ambanin’ny rano sy izay monina any.

6Ny fitoeran’ny maty dia mihanjahanja eo anatrehany

ary tsy misy rakotra tamin’ny fandringanana.

7Mamelatra ny lanitra avaratra eny ambonin’ny habakabaka Izy

ary manantona ny tany eo amin’ny tsy misy na inona na inona.

8Fonosiny ao anatin’ireo rahony matevina ny rano

nefa ny fanambanin’ny rahona dia tsy mety triatra.

9Manakona ny sezafiandrianany tsy ho hitantsika Izy

amin’ny amelarany ny rahony hanarona azy.

10Asiany faritra boribory eny ambonin’ny rano,

eo amin’izay ihaonan’ny mazava sy ny maizina.

11Ny andry iorenan’ny lanitra dia mihozongozona

sady ankona noho ny teny mafy ataony.

12Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina

ary ny fahendreny no anorotoroany an’i Rahaba;

13ny fofonainy no mampadio ny lanitra ho mamirapiratra;

ny tanany no nitomboka ny menarana mandositra.

14Indro ireny rehetra ireny dia ny ivelambelany amin’ny asany ihany,

ako mamelovelo izay andrenesantsika Azy ihany;

fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help