2Mpanjaka INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy votoatin’ny BokyMitohy ato ny tantaran’ireo mpanjaka farany tao Joda sy Israely voalazan’ny Mpanjaka voalohany. Noho ny fialan’ireo mpanjaka tamin’ny Didin’Andriamanitra, tamin’ny fanompoan-tsampy sy ny tsy fahamarinana, dia navelan’Andriamanitra hopotehin’ny mpanjaka asiriana Salmanesera ny fanjakana Avaratra ka rava i Samaria tamin’ny taona 721 tal JK, ary lasan-ko babo ny mponina. Izay no fahababoana asiriana. Manomboka hatreo dia ny fanjakana Joda no sisa nijoro.Ny tapany faharoa amin’ny Boky (18–25) dia milaza ireo taona taorianan’ny 721 ka hatramin’ny 587 tal JK izay fanombohan’ny fahababoana an’i Joda.Ao amin’ny 22–23 dia tantaraina ilay atao hoe Ny Reforma na Fanitsiam-pivavahana Deoteronomika: Tamin’ny taona 622 tal JK dia nahitana tapaky ny Boky Deoteronomia tao amin’ny tempoly, ary avy tamin’izany no nanadiovan’i Josia mpanjaka ny tempoly sy ny tany manontolo, izay feno fanompoan-tsampy sy fomba jentilisa. Tsy nahasakana ny loza anefa izany satria fivoarana ivelany ihany fa tsy latsaka tao am-pon’ny olona, koa dia tonga koa ny faharavan’ny fanjakana Joda.I Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, no nitondra tafika nandrava an’i Jerosalema; tamin’izay dia nodorany ny tempoly, ary ny mpitondra sy ny olona ambony rehetra tamin’ny firenena dia nalefany ho babo tany Babilona. Izay ny fahababoana babiloniana.Tanteraka tokoa ny loza noho ny fialan’ny olona tamin’Andriamanitra, kanefa ambaran’ny mpanoratra amin’ny faran’ny Boky fa i Joiakina, mpanjakan’i Joda, izay noentina ho babo tany Babilona, dia nalain’ny mpanjaka babiloniana tao am-ponja ka nomeny toeram-boninahitra. Tian’ny mpanoratra hambara amin’izany fa mbola misy fanantenana ihany ho an’ny taranak’i Davida araka ny teny fikasana nomen’NY TOMPO.Ny firafitry ny BokyNy fanjakana roa, hatramin’ny faharavan’ny fanjakana Avaratra: 1–17Ny taona farany tamin’ny fanjakan’i Joda sy ny fahatongavan’ny Babiloniana ary ny fiandohan’ny fahababoana babiloniana: 18–25
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help