1Tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hijery ny fasana i Maria Magdalena sy ilay Maria iray hafa.
2Dia indro, nisy horohoron-tany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
3Ny fijery azy dia tahaka ny tselatra, ary ny akanjony dia fotsy tahaka ny orampanala;
4ary tora-kovitra noho ny tahotra azy ny mpiambina ka tonga tahaka ny maty.
5Ary ilay anjely dia niteny tamin’ireo vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo, fantatro fa Jesosy, ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo.
6Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay efa nolazainy. Avia ka jereo ny toerana nandriany.
7Dia mandehana haingana ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy; ary indro, mialoha anareo any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
8Dia niala haingana tamin’ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, ary nihazakazaka hilaza amin’ny mpianany.
9Nefa indro Jesosy nifanena taminy sady niteny hoe: Finaritra. Ary nanatona izy ireo dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.
10Dia hoy Jesosy: Aza matahotra; fa mandehana, ilazao ny rahalahiko mba hankany Galilia; fa any no hahitany Ahy.
Ny fitantaran’ny mpiambina11Ary nony lasa izy ireo dia indreny ny mpiambina sasany dia nankany an-tanàna ka nilaza tamin’ny lehiben’ny mpisorona ny zavatra rehetra izay niseho.
12Ary rehefa tafavory izy ireo mbamin’ny loholona dia nikaon-doha ka nanome vola be ny miaramila
13sady niteny hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga ka nangalatra Azy alina, raha sendra natory izahay;
14ary raha misy milaza izany amin’ny governora, izahay no handresy lahatra azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
15Dia nandray ny vola izy ireo ka nanatanteraka ny teny nomena azy; ary izany teny izany dia naelin’ny Jiosy mandraka androany.
Naniraka ny mpianany Ilay nitsangana tamin’ny maty16Ary ny mpianatra iraika amby folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy halehany.
17Ary nony nahita Azy izy ireo dia niankohoka, nefa ny sasany dia nisalasala.
18Ary nanatona Jesosy dia niteny taminy hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
19koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
20sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.