Salamo 2 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny mpanjaka voatendrin’NY TOMPO

1Nahoana no mitabataba ny Jentilisa?

Nahoana no mimenomenom-poana ny firenena?

2Mitsangana ireo mpanjakan’ny tany,

ary miara-mioko ny mpanapaka

mba hanohitra NY TOMPO sy ny Mesiany ka miteny hoe:

3Aoka hotapahintsika ny gadrany ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.

4Mihomehy izay mipetraka any an-danitra.

Maneso azy ireo ny Tompo.

5Dia hiteny azy amin’ny fahavinirany Izy

ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany hoe:

6Izaho anefa no nanendry ny Mpanjakako

teo ambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.

7Hanambara didy navoakan’NY TOMPO Aho;

Izy no nilaza Tamiko hoe: Zanako Ianao!

Izaho no niteraka Anao androany.

8Mangataha Amiko dia homeko ho lovanao ny Jentilisa

ary ho fanananao ny tany rehetra;

9hotorotoroinao amin’ny tehim-by izy.

Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.

10Ary ankehitriny dia aoka ho hendry ianareo ry mpanjaka!

Minoa anatra ianareo ry mpitsaran’ny tany!

11Manompoa NY TOMPO amin’ny fahatahorana

ary miravoravoa amin’ny fangovitana.

12Orohy ny Zanaka,

fandrao ho tezitra Izy

ka ho levona eny an-dalana ianareo;

fa vetivety dia mirehitra ny hatezerany.

Sambatra izay rehetra mialoka Aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help