1Dia nandray fitenenana i Elifaza temanita:
2Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry
ka hameno ny kibony amin’ny rivotra avy any atsinanana?
3Hamaly amin’ny teny tsy mahasoa
sy ny teny tsy mahatsara va izy?
4Eny, foananao ny fahatahorana an’Andriamanitra
ary tampenanao ny dinika eo anatrehany;
5fa ny helokao no manesika ny vavanao
ary mifidy ny fitenin’ny olom-petsy ianao.
6Ny vavanao ihany no manameloka anao fa tsy izaho
ary ny molotrao ihany no mamely anao.
7Ianao va no olombelona nateraka voalohany?
Sa, naloaky ny kibo talohan’ny havoana va ianao?
8Ianao va nihaino teo amin’ny filankevitra teo amin’Andriamanitra
ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
9Inona no fantatrao ka tsy mba fantatray koa
na saina azonao ka tsy ato aminay koa?
10Ny zokiolona sy ny fotsy volo dia misy ato aminay;
eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
11Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’Andriamanitra
sy ny teny natao taminao amin’ny halemem-panahy?
12Nahoana no dia entin’ny fonao ianao?
Ary nahoana no mikimpikimpy foana ny masonao
13ka miefonefona amin’Andriamanitra ianao
sady miteniteny foana ny vavanao?
14Inona ny zanak’olombelona no mba hadio izy?
Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
15Indro ireo masiny aza dia tsy mahatoky Azy
ary ny lanitra aza dia tsy madio eo imasony;
16koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy,
dia ny olona izay misotro heloka toy ny rano!
17Hanambara aminao aho ka mihainoa ahy,
fa izay efa hitako no hotantaraiko,
18dia zavatra notorin’ny olon-kendry
fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ny razany.
19Ireny ihany no nomena ny tany
ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
20Mijalijaly amin’ny androny rehetra ny ratsy fanahy,
na firy na firy ny taona voatendry ho an’ny mpampihorohoro.
21Feo mampitahotra no ren’ny sofiny
ary na dia miadana aza izy dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
22Tsy manantena ho afaka amin’ny maizina izy;
miandry azy ny sabatra.
23Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka miteny hoe: Aiza re?
Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
24Fahoriana sy fahaporetana no mampitahotra azy.
Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ny ady
25satria nanatsotra ny tanany hanohitra an’Andriamanitra izy
ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
26Mimaona amin’ny hamafian-katoka izy hamely Azy,
dia amin’ny vohon’ny ampingany matevina.
27Rakotry ny tavy ny tarehiny
ary mivalon-kotraka ny andilany;
28nefa honina ao amin’ny tanàna rava izy,
dia ao amin’ny trano tsy tokony hitoeran’olona,
izay voatendry ho korontam-bato.
29Tsy hanankarena intsony izy sady tsy haharitra ny heriny
ka tsy ho vokatra ambonin’ny tany ny fananany.
30Tsy ho afaka hiala amin’ny maizina izy;
ny solofony dia hikainkona azon’ny lelafo;
ho levon’ny fofonain’Andriamanitra izy.
31Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy,
fa zava-poana no ho valiny homena azy.
32Raha mbola tsy tonga aza ny fetrandrony dia manjo azy izany
ary tsy ho maitso ny sampany.
33Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy
ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
34Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ny mpihatsaravelatsihy
ary ho lanin’ny afo ny tranolain’ny mpitoroka.
35Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fasiahana
ary ny kibony dia mamorom-pitaka.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.