Salamo 25 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ampahafantaro ny lalanao ahoNataon’i Davida.alef א

1Aminao, TOMPO ô, no anandratako ny fanahiko.

bet ב

2Andriamanitro ô, Ianao no itokiako, aoka tsy hitsanga-menatra aho!

Aoka tsy hibitahan’ny fahavaloko aho!

gimel ג

3Eny, tsy hisy hitsanga-menatra izay rehetra manantena Anao,

fa izay mivadika foana no ho menatra.

dalet ד

4Ampahafantaro ny lalanao aho, TOMPO ô,

ampianaro ny sitrakao aho.

he ה

5Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro,

fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy;

vav ו

Ianao no andrasako mandritra ny andro.

zaìn ז

6Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, TOMPO ô,

fa efa hatrizay hatrizay ireny.

het ח

7Aza ny fahotan’ny fahatanorako na ny ratsy nataoko no tsarovanao,

fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao, TOMPO ô!

tet ט

8Tsara sy mahitsy NY TOMPO,

koa izany no anoroany lalana ny mpanota.

iod י

9Mampandeha ny mpandefitra amin’ny fahamarinana Izy

ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.

kaf כ

10Ny lalan’NY TOMPO rehetra dia famindrampo sy fahamarinana

ho an’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony.

lamed ל

11Noho ny anaranao, TOMPO ô

dia mamelà ny heloko fa lehibe izany.

mem מ

12Iza no lehilahy matahotra NY TOMPO?

Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.

non נ

13Hitoetra amin’ny soa izy

ary handova ny tany ny taranany.

samek ס

14Ny fisainana miafin’NY TOMPO dia asehony amin’izay matahotra Azy

ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.

aìn ע

15Mijery NY TOMPO mandrakariva ny masoko

fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ny fandrika harato.

pe פ

16Todiho aho ka amindrao fo

fa irery aho ka ory.

tsade צ

17Mitombo ny fahorian’ny foko;

afaho amin’ny fahatereko aho.

res ר

18Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko

ka mamelà ny fahotako rehetra!

19Jereo ny fahavaloko fa marobe izy

ary loza ny fankahalany ahy.

sin שׁ

20Arovy aho mba ho velona ka vonjeo aho!

Aoka tsy hitsanga-menatra aho

fa mialoka Aminao.

tao ת

21Aoka ny tsy fananan-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy

fa manantena Anao aho!

22Andriamanitra ô,

afaho amin’ny fahoriany rehetra ny Israely

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help