Ohabolana 2 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fahendrena, harena miafina

1Anaka, raha raisinao ny teniko,

ary raketinao ao am-ponao ny didiko

2ka atongilanao ho amin’ny fahendrena ny sofinao,

ary atodikao ho amin’ny fahalalana ny fonao;

3eny, raha miantso ny fahalalana ianao,

ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika,

4raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao,

ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina,

5dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO,

ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.

6Fa NY TOMPO no manome fahendrena;

avy amin’ny teniny no iavian’ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina.

7Mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy fo Izy,

ary ampinga ho an’izay mandeha tsy misy tsiny;

8mitandrina ny lalan’ny fahamarinana Izy,

ary miaro ny lalan’ny olony masina.

9Amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny

ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.

Miaro amin’ny ratsy ny fahendrena

10Raha tafiditra ao am-ponao ny fahendrena,

ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana

11dia hiaro anao ny fahaiza-mandinika,

ary hiambina anao ny fahalalana

12ka hamonjy anao amin’ny lalan-dratsy

sy amin’ny lehilahy miteny fitaka,

13amin’izay mahafoy ny lalana mahitsy

ka mizotra ho amin’ny lalan’ny fahamaizinana,

14dia izay faly hanao ratsy

sady mibitaka amin’ny fanaovam-pitaka,

15dia izay miolikolika lalana

sy maniasia amin’ny alehany;

16hanafaka anao amin’ny vehivavy jejo koa izany,

dia amin’ny vehivavy janga izay mandokadoka amin’ny teniny,

17izay mahafoy ny sakaizan’ny fahatanorany

sy manadino ny fanekena nataony tamin’Andriamaniny;

18fa mirona ho amin’ny fahafatesana ny tranony,

ary mankany amin’ny maty ny lalany.

19Tsy misy tafaverina izay mankany aminy

sady tsy afaka mihazo ny lalan’ny fahavelomana.

20Izany no handehananao amin’ny lalan’ny tsara fanahy

sy hitandremanao ny alehan’ny marina.

21Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany,

ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao.

22Fa hofongorana amin’ny tany kosa ny ratsy fanahy,

ary ny mpivadika dia hongotana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help