Salamo 4 - Malagasy Protestant Bible 2011

Mahazo valim-bavaka na dia eo anivon’ny fankahalana azaHo an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha. Salamo nataon’i Davida.

1Mamalia ahy raha miantso aho, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô!

Raha tao an-katerena aho dia nohalalahinao toerana.

Mamindrà fo amiko ka henoy ny vavaka ataoko!

2Ry zanak’olombelona, mandra-pahoviana no handotoanareo ny voninahitro?

Mandra-pahoviana no ho tia zava-poana

sy hamoron-dainga ianareo? Fiatoana

3Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’NY TOMPO ho Azy ny tsara fanahy;

NY TOMPO mihaino rehefa miantso Azy aho.

4Tezera fa aza manota;

mieritrereta eo am-pandriananareo

ka aoka hangina. Fiatoana

5Manolora fanatitra amim-pahamarinana

ary matokia NY TOMPO.

6Maro no miteny hoe: Iza no hampiseho amintsika ny fahasambarana?

Asandrato aminay ny fahazavan’ny tavanao, TOMPO ô!

7Asianao fifaliana ato am-poko,

mihoatra noho ny tamin’ny taona nahabetsahan’ny variny sy ny ranom-boalobony izany.

8Handry amin’ny fiadanana aho ka hatory avy hatrany

satria Ianao irery, TOMPO ô, no mampitoetra ahy tsy manana ahiahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help