2Tantara 21 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Ary nodimandry any amin’ny razany i Josafata ka nalevina tao amin’ny razany tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Jehorama

2Nanana rahalahy, zanak’i Josafata, koa izy, dia i Azaria, i Jehiela, i Zakaria, i Azaria, i Mikaela ary i Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Israely.

3Nomen’ny rainy harena betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin’ny tanàna mimanda sasany tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an’i Jehorama, satria izy no lahimatoa.

4Nefa raha vao nanjaka tamin’ny fanjakan’ny rainy i Jehorama dia nitombo hery ka namono tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra mbamin’ny mpanapaka sasany tamin’ny Israely.

2Mpa 8.17-24

5Roa amby telopolo taona i Jehorama raha nanomboka nanjaka ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.

6Nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely izy, dia tahaka ny nataon’ny taranak’i Ahaba, fa zanakavavin’i Ahaba no vadiny; eny, nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy.

7Nefa NY TOMPO tsy nety nandringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ny taranany.

8Tamin’ny andron’i Jehorama no nikomian’ny Edomita tsy hanoa ny Joda fa nanangana mpanjaka ho azy izy.

9Dia niainga i Jehorama sy ireo mpanapaka sy ny kalesy fitondrany miady rehetra; ary nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ny kalesy fitondra miady.

10Nefa ny Edomita dia mbola nikomy ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Tamin’izany andro izany koa dia nikomy tsy nety nanoa an’i Jehorama i Libna, satria efa nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy.

11Nanao toerana fanaovana sorona teny amin’ny tendrombohitr’i Joda koa i Jehorama sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema no nitaona ny Joda mangingina hanao izany.

12Ary nisy soratra avy tamin’i Elia mpaminany tonga tao aminy nilaza hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin’ny lalan’i Josafata rainao, na ny lalan’i Asa, mpanjakan’ny Joda,

13fa nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan’ny taranak’i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,

14dia indro, hasian’NY TOMPO areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao ary ireo vadinao mbamin’ny biby fiompinao rehetra;

15ary ho azon’ny aretina mafy koa ianao, dia aretina amin’ny tsinainao, mandra-pivoakan’ny tsinainao isanandro isanandro noho ny aretina.

16Ary NY TOMPO nampirisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin’ny Kosita hamely an’i Jehorama.

17Niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an’ny ankohonan’ny mpanjaka mbamin’ny zanany sy ny vadiny koa ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy i Joahaza faralahiny ihany.

18Nony afaka izany rehetra izany, dia nasian’NY TOMPO aretina tsy azo sitranina tamin’ny tsinainy izy.

19Afaka elaela, izany hoe roa taona, dia nivoaka tsikelikely ny tsinainy noho ny aretiny; koa maty tamin’ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany dia tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin’ny razany.

20Roa amby telopolo taona izy, raha nanomboka nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa tsy nisy nalahelo azy. Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help