Salamo 32 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fahasambaran’ny voavela helokaNataon’i Davida. Tononkalo.

1Sambatra ny olona izay voavela ny helony

ary voasarona ny fahotany!

2Sambatra ny olona izay tsy isain’NY TOMPO heloka

ary tsy misy fitaka ny fanahiny!

3Raha nangina aho dia nihalany ny taolako rehetra

noho ny fitarainako mandritra ny andro,

4fa navesatra tamiko andro aman’alina ny tananao;

niova ny fahatanjahako, toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona. Fiatoana

5Ny fahotako dia nambarako Taminao

ary ny heloko tsy mba nafeniko;

hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin’NY TOMPO aho;

ary Ianao dia namela ny heloko, ny fahotako. Fiatoana

6Izany no aoka hivavahan’ny matahotra an’Andriamanitra rehetra Aminao amin’izay fotoana hahitana Anao!

Eny tokoa, na dia tondraka aza ny ranobe

dia tsy hahatratra azy izany.

7Ianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Ianao;

fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. Fiatoana

8Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho;

hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.

9Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina;

vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy

fa tsy mety manakaiky anao izy.

10Be ny fanaintainan’ny ratsy fanahy,

fa izay matoky NY TOMPO kosa dia hodidinin’ny famindrampo.

11Mifalia amin’NY TOMPO ary miravoravoa ianareo olona marina!

Mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help