Zakaria 6 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fahitana fahavalo: Ny kalesy fitondra miady efatra

1Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa indreo, kalesy fitondra miady efatra nivoaka avy teo anelanelan’ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.

2Tamin’ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin’ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;

3tamin’ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ny kalesy fahefatra dia soavaly sada sady matanjaka.

4Dia nanontany tamin’ilay anjely niresaka tamiko aho hoe: Inona moa ireo, tompoko?

5Ary ilay anjely namaly ahy hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra izay miroso rehefa avy nijoro teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.

6Ny kalesy misy ny soavaly mainty dia miroso mankany amin’ny tany avaratra; ny misy ny soavaly fotsy dia miroso manaraka azy; ny misy ny sada dia mivoaka mankany amin’ny tany atsimo.

7Matanjaka izy ireo ary miroso ka mitady handeha hivezivezy eny amin’ny tany; dia hoy NY TOMPO: Mandehana ianareo, miveziveze eny amin’ny tany! Dia nandeha nivezivezy teny amin’ny tany ireo kalesy.

8Dia niantso mafy tamiko NY TOMPO hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankany amin’ny tany avaratra dia nampionona ny fahatezerako tany amin’ny tany avaratra.

Ny satroboninahitra teo an-dohan’i Josoa

9Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

10Mandraisa avy amin’ny fananan’ny babo, dia avy amin’ny fananan’i Helday sy i Tobia ary i Jedaia, eny, mandehana ianao izao anio izao ihany ka midira ao an-tranon’i Josia, zanak’i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babilona izy.

11Eny, mandraisa volafotsy sy volamena ka anaovy satroboninahitra izany dia apetraho eo an-dohan’i Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe.

12Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Indro ny Lehilahy atao hoe Rantsana;

amin’ny androny dia hitsimoka ny zava-drehetra

sady hanao ny tempolin’NY TOMPO izy.

13Eny, Izy no hanao ny tempolin’NY TOMPO

ary Izy no hitondra voninahitra

ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ny sezafiandrianany;

hisy mpisorona hafa koa eo amin’ny sezafiandrianany

ary hisy fihavanana tanteraka amin’izy roa.

14Ary ny satroboninahitra dia ho ao amin’ny tempolin’NY TOMPO, ho fahatsiarovana ho an’i Helema, i Tobia, i Jedaia ary i Henà, zanak’i Zefania.

15Ary izay lavitra dia ho avy ka hanangana ny tempolin’NY TOMPO ka ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany raha mazoto mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help