Isaia 9 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Ny olona izay mandeha amin’ny maizina

dia mahita mazava lehibe;

izay mitoetra amin’ny tanin’ny aloky ny fahafatesana

no amirapiratan’ny mazava.

2Hamaroinao ity firenena ity

ary ampitomboinao ny hafaliany.

Mifaly eo anatrehanao tahaka ny hafaliana amin’ny fararano izy;

eny, tahaka ny fibitahan’ny olona raha mizara babo.

3Fa ny bao fitondrany entana

sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny,

izay tsorakazon’ny mpampiasa azy,

dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midianita.

4Fa ny kiraron’izay mivatravatra fandeha amin’ny ady

sy ny fitafiana mihosin-dra

dia samy hodorana,

eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.

5Fa Zaza no teraka ho antsika,

Zazalahy no omena antsika;

ary ny fahefana dia eo an-tsorony;

ny anarany atao hoe

Mpanolotsaina mahagaga, Andriamanitra mahery,

Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana.

6Ny handrosoan’ny fiandrianana

sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida

sy ny fanjakany

mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny fitsarana marina

hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Izany no hotanterahin’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny olony

7Mandefa teny ho an’i Jakoba ny Tompo

ka mihatra amin’ny Israely izany.

8Ho fantatr’izy iray firenena izany,

dia i Efraima sy ny mponina any Samaria

izay miteny amin’ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ny fony hoe:

9Biriky no efa nirodana

fa vato voapaika kosa no harafitsika;

aviavy no voakapa

fa sedera kosa no hasolontsika azy.

10Manandratra ny rafilahin’i Rezina

hihoatra azy NY TOMPO

ary mampirisika ny fahavalony,

11dia ny Arameana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana;

misanasana vava handrapaka ny Israely ireo.

Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany

fa mbola miainga ihany ny tanany.

12Tsy miverina amin’Izay mamely azy ny olona;

eny, tsy mba tadiaviny Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

13Noho izany dia hofongoran’NY TOMPO amin’ny Israely

ao anatin’ny indray andro monja

ny loha sy ny rambo, ny sampana palma sy ny zozoro.

14Ny loholona sy ny olo-manankaja no loha,

ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo.

15Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy,

ary izay tarihiny dia voatelina.

16Noho izany dia tsy mahafaly NY TOMPO ny zatovony,

ary tsy iantrany ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy

satria samy tsy mino sy mpanao ratsy izy,

ary milaza hadalana ny vava rehetra.

Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany

fa mbola miainga ihany ny tanany.

17Fa mandoro tahaka ny afo ny haratsiam-panahy,

mandevona ny tsilo sy ny anjavidy

ary mampirehitra ny ala mikirindro

ka mitambolimbolina ny setroka misavoana.

18Noho ny fahatezeran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

dia kilan’ny afo ny tany,

ary tahaka ny kitay atohoka amin’ny afo ny olona.

Tsy misy olona miantra ny rahalahiny.

19Mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany;

mandany eny ankavia izy nefa tsy voky ihany;

samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra.

20Eny, mihinana an’i Efraima i Manase

ary mihinana an’i Manase kosa i Efraima;

miara-mamely an’i Joda izy roa tonta.

Kanefa na izany rehetra izany aza tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany

fa mbola miainga ihany ny tanany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help