Ohabolana 28 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza;

fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.

2Ny fikomian’ny tany dia mahamaro isa ny mpanapaka eo aminy;

fa ny fisian’ny olona manan-tsaina sy fahalalana kosa no mampateza ny fanjakana.

3Ny lehilahy mahantra izay mampahory ny madinika

dia toy ny ranonorana izay mipaoka ka tsy mamela hanina.

4Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy,

fa izay mitandrina ny lalàna kosa dia mirehitra hanohitra azy.

5Tsy mahalala izay rariny ny ratsy fanahy,

fa izay mitady NY TOMPO no mahalala ny zavatra rehetra.

6Ny mahantra izay mandeha amin’ny fahitsiany

dia tsara noho ny manankarena nefa mandeha amin’ny lalana miolikolika.

7Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry,

fa izay misakaiza amin’ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.

8Izay mampitombo ny fananany amin’ny zana-bola sy ny tombony

dia manangona ho an’izay miantra ny mahantra.

9Izay manentsin-tadìny dia tsy hihaino ny fampianarana;

na ny vavaka ataony aza dia fahavetavetana.

10Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ny lalan-dratsy

dia ho lavo ao amin’ny lavaka nataony;

fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.

11Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena,

fa ny mahantra izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.

12Rehefa ravoravo ny marina dia lehibe ny voninahitra;

fa rehefa misandratra kosa ny ratsy fanahy dia miery ny vahoaka.

13Izay manafina ny fahotany dia tsy hambinina,

fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.

14Sambatra izay olona matahotra mandrakariva!

Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.

15Liona mierona sy bera miremby

amin’ny olona reraka ny mpanapaka ratsy fanahy.

16Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory,

fa izay mankahala ny fitiavan-karena no ho ela velona.

17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-dra dia handositra hatrany an-davaka;

aoka tsy hisy hihazona azy!

18Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy,

fa izay mandia lalana roa miolikolika dia hianjera ao amin’ny iray.

19Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina,

fa izay manenjika zava-poana ho voky fahantrana kosa.

20Izay olona mahatoky dia hahazo fitahiana be,

fa izay maimay ta hanankarena tsy ho afa-tsiny.

21Tsy mety ny mizaha tavan’olona;

fa na dia amin’ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ny olona hanotana.

22Ny mpialona dia maimay ta hanankarena;

tsy fantany fa ho tonga aminy ny tsy fisiana.

23Izay mananatra olona no hahita fitia rahatrizay

mihoatra noho izay mandokadoka amin’ny lelany.

24Izay mandroba ray sy reny

ka milaza hoe: Tsy heloka izany,

dia mpiray dia amin’ny jiolahy.

25Izay tsy mety afa-po dia manetsika ady,

fa izay matoky NY TOMPO no hanana ny feno.

26Izay matoky ny fony dia adala,

fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.

27Izay manome ny mahantra dia tsy hisy zava-mahory azy,

fa izay minia mikimpy kosa dia hahazo ozona be.

28Raha misandratra ny ratsy fanahy dia miery ny vahoaka;

fa raha ringana kosa izy dia mihamaro ny marina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help