1Lozan’ny tanàna mpandatsa-dra!
Feno lainga sy loza amin’atambo;
tsy ialan-dremby ao aminy.
2Injany ny fifiopioky ny karavasy!
Ny fikorodondrodon’ny kodiarana!
Ny fikatrokatroky ny soavaly!
Ary ny fitraitraiky ny kalesy fitondra miady!
3E! Ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly!
Akory ny fitselatry ny sabatra
sy ny famirapiratry ny lefona!
Indrisy ny habetsahan’ny voatrabaka sy ny hamaroan’ny voavono!
Tsy hita isa ny faty!
Eny, voafingampingan’ny faty ny olona.
Voasaron-kenatra i Ninive4Izany dia noho ny habetsahan’ny fijangajangan’Ikala janga tsara tarehy,
sady mpilalao sikidy,
izay mivarotra firenena amin’ny fijangajangany
sy fokom-pirenena amin’ny ody ratsiny.
5Indro, hamely anao Aho,
hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao;
ary haingaiko ho amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao
ka hasehoko amin’ny firenena ny fitanjahanao
ary amin’ny fanjakana ny fahamenaranao.
6Dia hotsipazako loto ianao
ka hataoko tsinontsinona,
eny, hataoko fitalanjonana ianao.
7Ary izay rehetra mijery anao dia handositra anao
ka hiteny hoe: Rava i Ninive!
Iza no hitomany azy?
Aiza no hitadiavako izay hampionona anao?
Hihatra amin’i Ninive izay nanjo an’i Teba8Ianao va tsara noho i No-Amona,
ilay nitoetra teo anelanelan’ny ony
ka nohodidinin’ny rano,
toy ny ranomasina ny manda manodidina azy?
9Ny Kosita no heriny tsy hita lany
torak’izany koa ny Ejiptiana;
ny Lidiana sy ny Libiana no mpanampy azy.
10Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo;
ny zanany madinika dia notorotoroina
teny an-joron-dalambe rehetra teny;
nanaovany antsapaka ny olo-malazany,
ary nogadraina ny lehibeny rehetra.
11Ho mamo koa ianao
ka hiafina;
hitady fiarovana mafy koa ianao hierenao ny fahavalonao.
Tsy afaka manohitra i Ninive12Ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona
ny manda mafinao rehetra:
Raha hohozongozonina izy
dia hihintsana ao am-bavan’izay hihinana.
13Indro, vehivavy sisa
no olonao ao aminao;
midanadana hidiran’ny fahavalonao
ny vavahadin’ny taninao;
levon’ny afo ny hidinao.
14Manangòna rano ho anao ho amin’ny fahirano!
Hamafiso ny mandanao!
Mirotsaha ao amin’ny fotaka ka hosihoseo ho feta izany!
Raiso ny lasitra fanaovam-biriky!
15Any no handevonan’ny afo anao
sy handripahan’ny sabatra anao;
hohaniny toy ny fihinan’ny valalavao ianao.
Firenena iray manontolo no levonaMihamaroa toy ny valalavao,
mihabetsaha toy ny valala.
16Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin’ny lanitra ny mpivaro-mandehanao;
mipariaka ny valalavao ka lasa manidina.
17Ny andriananao dia toy ny valala,
ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao
izay mitoby eny amin’ny fefy raha mangatsiaka ny andro;
fa raha miposaka ny masoandro dia lasa manidina izy
ka tsy fantatra izay alehany.
18Rendremana ny mpiandry ondrinao, ry mpanjakan’i Asiria;
miampatrampatra ny lehilahy maherinao;
aely eny an-tendrombohitra ny olonao
ka tsy misy mamory azy.
19Tsy misy fanafana ny manjo anao,
tsy azo sitranina ny ferinao;
izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hitehaka;
fa iza no tsy efa tratry ny zava-doza nataonao miverimberina?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.