Josoa 12 - Malagasy Protestant Bible 2011

Lisitry ny tany azon’ny Israely

1Izao no mpanjakan’ny tany resin’ny Zanak’Israely ka nobaboiny ny tany, teny andafy atsinanan’i Jordana hatreo amin’ny lohasahan-driaka Arnona ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ny tany ngazana:

2I Sihona, mpanjakan’ny Amorita izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, teo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, hatreo afovoan’ny lohasaha sy ny antsasak’i Gileada ka hatramin’ny lohasahan-driaka Jaboka izay sisintanin’ny taranak’i Amona,

3ary ny ilany atsinanan’ny tany ngazana hatreo amin’ny ranomasina Kinerota ka hatramin’ny ranomasina Arabà, ny Ranomasintsira, amin’ny lalana mankany Bety-Jesimota, ary hatrany amin’ny tany atsimo eo amin’ny sisin’i Pisga.

4Azony koa ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basana, isan’ny Refaìta sisa, izay nitoetra tany Astarota sy Edrehy,

5nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona, tany Saleka ary tany Basana rehetra hatrany amin’ny sisintanin’ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’i Gileada, faritanin’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona.

6I Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, sy ny Zanak’Israely no nandresy ireo; ary nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, ho lovan’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ny tanin’ireo.

7Ary izao no mpanjakan’ny tany izay resin’i Josoa sy ny Zanak’Israely tany andafy andrefan’i Jordana, hatrany Baala-Gada, eo an-dohasahan’i Libanona ka hatramin’ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seìra; koa ny taniny dia nomen’i Josoa ny fokon’ny Israely araka ny fizarany,

8dia ny any amin’ny havoana, any Sefela, any amin’ny tany ngazana, any amin’ny tany an-tsisin’ny tendrombohitra, any an-tany efitra ary any Negeva, dia ny an’ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita:

9Ny mpanjakan’i Jeriko, iray;

ny mpanjakan’i Ay izay eo anilan’i Betela, iray;

10ny mpanjakan’i Jerosalema, iray;

ny mpanjakan’i Hebrona, iray;

11ny mpanjakan’i Jarmota, iray;

ny mpanjakan’i Lakisy, iray;

12ny mpanjakan’i Eglona, iray;

ny mpanjakan’i Gezera, iray;

13ny mpanjakan’i Debira, iray;

ny mpanjakan’i Gedera, iray;

14ny mpanjakan’i Horma, iray;

ny mpanjakan’i Arada, iray;

15ny mpanjakan’i Libna, iray;

ny mpanjakan’i Adolama, iray;

16ny mpanjakan’i Makeda, iray;

ny mpanjakan’i Betela, iray;

17ny mpanjakan’i Tapoa, iray;

ny mpanjakan’i Hefera, iray;

18ny mpanjakan’i Afeka, iray;

ny mpanjakan’i Lasarona, iray;

19ny mpanjakan’i Madona, iray;

ny mpanjakan’i Hazora, iray;

20ny mpanjakan’i Simrona-Merona, iray;

ny mpanjakan’i Aksafa, iray;

21ny mpanjakan’i Tanàka, iray;

ny mpanjakan’i Megido, iray;

22ny mpanjakan’i Kadesy, iray;

ny mpanjakan’i Jokneama any Karmela, iray;

23ny mpanjakan’i Dora eo amin’ny havoanan’i Dora, iray;

ny mpanjakan’i Goima any Gilgala, iray;

24ny mpanjakan’i Tirza, iray.

Iraika amby telopolo no isan’ny mpanjaka rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help